Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FIONDRANANA AN-TSOKOSOKO ANY MAYOTTE: Sambokely nitondra Malagasy miisa 33 sarona
Ny alin’ny zoma 03 Febroary 2023 teo no tra-tehaky ny zandarmaria any Mayotte tany amin’ny fari-dranomasina tany an-toerana ny sambokely iray nitondra teratany malagasy miisa 33, nikasa hiondrana an-tsokosoko tao Mayotte.
Navoakan’ny fampahalalam-baovao tao Mayotte omaly ny fisiana Sambokely iray tra-tehaky ny zandarmaria tany amin’ny fari-dranomasin’i Mayotte ny alin’ny zoma 03 Febroary 2023 teo. Ny teo anivon’ny Prefektiora tany an-toerana no nanao ny fampitam-baovao ofisialy ny andron’ny omaly. Fantatra nandritra izany fa Malagasy miisa 33 no tao anatin’io sambokely io. Ireto farany izay nikasa hiditra an-tsokosoko tao Mayotte.
Araka izany, nisy avy hatrany ny fepetra noraisin’ny tomponandraiki-panjakana any an-toerana, ka nalefa nody taty Madagasikara ny 24 tamin’izy ireo, ny sabotsy 04 Febroary 2023 ihany, tamin’ny alalan’ny sidina. Nangataka fampiantranoana kosa ny sivy tamin’izy ireo, ka hiandrasana ny fanapahan-kevitry ny rafi-pitsarana any an-toerana.
Raha ny tatitry ny Prefektiora any Mayotte, efa tafakatra 74 izao ireo fidirana an-tsokosoko sarona tany an-toerana, hatramin’ny fiandohan’ny taona 2023. Izany hoe, manodidina ny sambo roa isan’andro.
Amin’ny ankapobeny, efa saika hahenoana trangana fiondranana an-tsokosoko hatrany any Mayotte, indrindra avy aty Madagasikara. Raha tsiahivina, vao tamin’ny taon-dasa ihany koa no nisy an’ireo Malagasy miisa 55 tratran’ny mpiandry sisintany saika hiditra an-tsokosoko tany an-toerana .Tratra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny olona nitondra azy tamin’ny lakana araka ny filazan’i Préfet an’i Mayotte. Izy ireo izay tsy maintsy naverina taty Madagasikara ihany koa. Fanontaniana mipetraka ny hoe tsy misy vahaolana maharitra mihitsy ve ity resaka fiondranana an-tsokosoko mankany Mayotte ity? Aiza ho aiza ny fiambenana sy fiarovana ny sisintanintsika? Tsikaritra tokoa mantsy fa efa saika any amin’ny fari-dranomasin’olona na any an-tanin’olona hatrany ireo mpiondrana an-tsokosoko vao tra-tehaka. Tranga izay toa tsy dia mahatsara endrika an’i Madagasikara ihany eo anatrehan’ny Firenen-kafa ka ilàna fandraisana fepetra matotra…




