Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FIPARITAHANA FITAOVAM-PIADIANA : Bala anjatony sarona tsy misy taratasy, olona roa voasambotra

Nandritra ny fisavana fiara manao fitateram-bahoaka avy any Ambanja hihazo an’Antananarivo no nahitana solefanina mainty sy harona iray mampiahiahy, afakomaly, tokony ho tamin’ny misasakalina. Rehefa nosokafana izy ireo dia hita tao anatin'izany ny bala miisa 110.

Nandritra ny fisavana fiara manao fitateram-bahoaka avy any Ambanja hihazo an’Antananarivo no nahitana solefanina mainty sy harona iray mampiahiahy, afakomaly, tokony ho tamin’ny misasakalina. Rehefa nosokafana izy ireo dia hita tao anatin’izany ny bala miisa 110, izay mitsinjara ho toy izao manaraka izao : « chevrotines » 9 g miisa 60, tao anaty harona, izay amin’ny anarana Kaporaly iray. « Chevrotines » miisa 50 kosa, tao anaty solefanina amin’ny anarana lehilahy iray. Marihina fa tsy misy taratasy ireo bala tra-tehaka ireo. Natao ny vela-pandrika, mba hahazoana ny olona hitsena izany taty Antananarivo, ary voasambotra tamin’ny fitsenana ireo entana ireo, ny lehilahy iray  nitsena ilay entana anaty harona sy serzà miasa ao amin’ny Etamazaoron’ Andohalo, izay nitsena an’ilay tao anaty solefanina. Marihina fa tamin’ny fijerena ny finday no nahafantarana fa amin’ny anaran’ny mpitsena ny laharan’ny finday, fa ny anarana no hafa eo amin’ny fonosan’ireo entana. Misokatra ny fanadihadiana izay ataon’ny zandary ao Antsohihy sy ny GAPJ Sofia.

Tafiditra ao anatin’ny asan’ny Zandarimariam-pirenena, ny fametrahana sy fitazomanana ny fandriampahalemana maharitra. Isan’izany ny ady amin’ny fiparitahana na fitazomanana basy tsy ara-dalana, indrindra ny bala, izay isan’ny mahatonga korontana sy ny tsy fandriampahalemana.  Eo koa ny ady amin’ny fakàna an-keriny olona varira. Izy ireo mantsy dia isan’ny mandry tsy lavo loha noho ny afitsok’ireo mpanao ratsy mpaka an-keriny mampiasa basy.  Tsy latsak’izany koa ny ady amin’ny halatr’omby.  Tsapa fa nisy fihenana ary manomboka voafehy miandalana izany amin’izao fotoana izao. Mba hitohizan’ny ezaka ataon’ireo mpiantsehatra amin’ny fandriampahalemana, indrindra ny Zandarimariam-pirenena, dia mila atao maty paika hatrany ny rindran-damina ampiharina mba hitazona ny vokatra efa azo. Eo koa ny ady amin’ny fiparitahana rongony sy ny zava-mahadomelina. Tsy misaraka amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny habibiana etsy sy eroa ny zava-mahadomelina ka mila fehezina izany.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer