PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FIPARITAHANA ZAVA-MAHADOMELINA MAHERY VAIKA : Mpiasan’ny fadintseranana iray voasambotra, nivarotra « cocaïne de base » 100 Kg
Tombanan’ny mpanao fanadihadiana fa misy ifandraisany amin’ny raharaha fakana an-keriny hafahafa miseho eto an-drenivohitra tato anatin’ny andro maromaro izay ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika, toy ny « Cocaïne ». Taorian’ny famotorana natao tamin’ireo olona folo efa voasambotra tamina raharaha fivarotana zava-mahadomelina, dia mpiasan’ny fadintseranana iray indray no nosamborina rehefa fantatra fa nivarotra « cocaïne de base » nilanja 100kg, niainga avy any Toamasina.
Ny tranga itovizan’ireo fakana an-keriny zatovovavy niseho lany tato anatin’ny andro maromaro izay, dia ny nampiasana zava-mahadomelina mahery vaika tamin’izy ireo. « Tsy nisy ny halatra, tsy nisy ihany koa ny herisetra ara-nofo, saingy nomena zava-mahadomelina ireo tranora ireo », hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly SEG Serge Gellé, omaly. Niainga tamin’izay no nanaovana ny hetsika manokana nitadiavana ireo mpikirakira zava-mahadomelina mahery vaika ireo teto an-drenivohitra, ka nahatrarana, ny teratany sinoa 02, afrikanina 02 sy Malagasy 06 ka ny iray amin’ireo Malagasy dia olona efa migadra saingy mivoaka manao asa ivelan’ny fonja na « main d’œuvre pénale ».
Niainga tamin’ireo olona folo tratra ireo kosa no nahafantarana fa avy any Toamasina no anafaran’izy ireo ny zava-mahadomelina mahery vaika amidin’izy ireo eto an-drenivohitra. Nisy, araka izany, ny fanadihadiana natao tany an-toerana ka nahatra-tehaka ny mpiasan’ny fadintseranana iray, izay tsy iza fa ilay nanoro ny fisian’ny “Cocaïne de base » nilanja 600 kg tratra tao Toamasina, ny Novambra 2021. « Nolazainy tamin’izany fa 18 gony ireo zava-mahadomelina tratra ireo, hay 20 gony ilay izy fa nafeniny ny 2 gony, izay milanja 100 kg, ary io efa namidiny amin’izao fotoana izao io », hoy ny SEG. Tsy mbola afaka mamaritra ny mpanao fanadihadiana hatreto, na ireo « Cocaïne de base” tao Toamasina ireo ity miparitaka teto an-drenivohitra ity na tsia. « Ny fanadihadiana no hamaritra izany », hoy ny Jeneraly Serge Gellé. Marihina fa amin’ny maha “Cocaïne de base” azy, dia tsy mbola azo ampiasaina avy hatrany ireo zava-mahadomelina ireo, fa mbola mila ampitomboina folo ny fatra. Izany hoe, raha “Cocaïne de base” 600kg no iaingana, lasa 6 taonina izany rehefa amboarina ho lasa “Cocaïne”azon’ireo mpividy jifaina.
Inona no mety ho antony? Fanontaniana tsy mbola nahitam-baliny io, eo anatrehan’ny fampiasana zava-mahadomelina tamin’ireo tanora nalaina an-keriny. “Mety ho fanakorontanana,… mety misy olona te hampiditra sy hivarotra zava-mahadomelina mahery vaika eto ka manao izay hampiankindoha ny tanora amin’izany,…”, ampahany tamin’ny fanehoan-kevitry ny SEG ireo, manoloana ny zava-misy ankehitriny. Mety ho marina izany, mety ho diso, hoy izy. Ny fanadihadiana rehetra rahateo tsy maintsy miainga amin’ny ahiahy sy ny petra-kevitra.
Mitohy ny fanadihadiana…




