PolitikaSongadim-baovao
FIRENENA BRITANIKA : Hanamafy ny fiarahamiasa amin’i Madagasikara
Tonga nanatitra ny taratasy fanendrena azy ho Masoivohon’i Royaume Uni vaovao hiasa sy honina eto Madagasikara i David William Ashley. Nandray azy ny Filoha Andry Rajoelina teny amin’ny Lapampanjakana Iavoloha. Nanamafy ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena britanika sy malagasy ny Masoivoho. Isany fiaraha-miasa hiarahana amin’ny Fanjakana malagasy ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny paikady iadiana amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro.
Ambasadaoron’i Maroc tao amin’ ny Antenimierandoholona
Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Filohan’ny Antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana amin’ny maha Filoha vaovao azy amin’ity Andrimpanjakana ity, Atoa MOHAMMED Benjilany Ambasadaoron’i Maroc izay miasa sy monina eto Madagasikara , omaly Alarobia 10 febroary 2021 teto Anosikely.
Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa izay efa nisy hatramin’izay teo amin’ny firenena roa tonta, mahakasika ny lafiny fampandrosoana sy ny fizarana traikefa ary mahakasika tontolo iainana ny fihaonana. Nisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra mikasika ireo tetikasa izay efa notanterahin’ny firenena Marokanina teto Madagasikara raha tsy hilaza afa-tsy ny fananganana ny hopitaly lehibe ao Antsirabe sy ny toerana fanofanana arak’asa izay anisan’ny lehibe indrindra eto amin’ny Oseanina Indianina, hampiofanana ireo tanora Malagasy amin’ny sehatra asa vaventy, fizahantany ary amin’ny sehatra mahakasika hazo sy hay-tao amin’ny fantson-drano.
Ankoatra ireo rehetra ireo dia nisy ihany koa ny fanaovana jery todika ireo fiaraha-miasa teo amin’ny lafiny ara-politika, ara-toekarena ary ny fifandraisana ara-diplomatika misy eo amin’ireo parlemantan’ny firenena roa tonta nandritra ny dinika. Tsy nohadinoina ihany koa ny fifandraisana ara-tantara misy eo amin’ny tany roa tonta.



