PolitikaSongadim-baovao
FIRONAM-BOKATRA VONJIMAIKA: Mitarika amin’ny salanisa 69,56% i Andry Rajoelina
Ny fironam-bokatra vonjimaika azo tamin’ny 09ora alina omaly no nahalalana fa mitarika amin’ny salanisa 69,56% ny Kandidà Andry Rajoelina, ao anatin’ny fanisana ny voka-pifidianana Filoham-pirenena farany teo. Birao fandatsaham-bato miisa 3207 amin’ny 27 375 no nahazoana an’io antontansia io, raha ny tatitra avy amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni).
69, 56% ho an’i Andry Rajoelina, 11,12% ho an’i Siteny Randrianasoloniaiko, ary 10, 57% ho an’i Marc Ravalomanana. Ireo no Kandidà telo voalohany tamin’ny fironam-bokatra vonjimaika navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), omaly, tamin’ny 09ora alina. Vokatra azo avy amin’ny birao fandahatsaham-bato miisa 3207 amin’ny 27 375 ireo. Izany hoe ny 11,72% no naharaisana vokatra. Tamin’ireo birao fandahatsaham-bato ireo, niisa 1 655 699 ireo mpifidy voasoratra anarana, ary 647 368 ireo tonga nandrotsa-bato, ka nanome ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy ho 39,10%.
“Marihina fa ny antontanisa zaraina hatreto dia vonjimaika, antsoina hoe fironam-bokatra na « tendances des résultats », azo avy amin’ny alalan’ireo PV na fitanana an-tsoratra an-tsary, avy any amin’ny biraom-pifidianana. Manomboka rahampitso (ndlr: anio) Sabotsy faha 18 Novambra 2023 dia azo atao ny mitsidika ny site web CENI (ceni-madagascar.mg) izay itaterana ny ampahany amin’ny vokatra vonjimaika”, hoy ny teo anivon’ny Ceni.
Fikirakirana ny voka-pifidianana
Araka izany, ao anatin’ny fikirakirana tanteraka ireo voka-pifidianana ny Ceni amin’izao fotoana izao. Mpiasa manodidina ny 500 no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana izany eny Alarobia. Miasa andro aman’alina, 24ora amin’ny 24ora ireo mpikirakira voka-pifidianana, mba ho haingana araka izay tratra fotoana anatanterahana izany. Araka ny tatitra dia manodidina ny 8%-n’ny vokatra hatreto no efa voakirakira tamin’ny alalan’ireo fitanana an-tsoratra pika sary, nalefan’ireo biraom-pifidianana hatry ny afak’omaly hariva. Omaly alina kosa no heverina fa misy ho tonga ny fitanana an-tsoratra tena izy na ny PV physiques, avy amin’ireo SRMV manakaiky an’Antananarivo.
Mampatsiahy ny Ceni fa voarara ny famoahana voka-pifidianana ankoatra izay avoakan’ny Ceni ao amin’ny pejy Facebook sy ny ao amin’ny tranonkalany, ary manentana hatrany antsika olompirenena mba hiandry am-pitoniana ny vokatra ao anatin’ny fe-potoana faritan’ny lalàna amin’izany.
Taham-pandraisana anjara ambany?
Adihevitra hatrany hatramin’izao ny resaka ny taham-pandraisana anjara tamin’ny fifidianana farany teo izay voizin’ireo Kandidà 10 sy ny avy amin’ny fanoherana fa ambany, ka tsy maha mari-toerana izay Filoha ho lany eo. Nanazava omaly Ramatia Lalatiana Rakotondrazafy, fa tsy mitombina izany. Notsiahiviny fa ny tahan’ny fandraisana anjara tamin’ny fifidianana 2018, nandritra ny fihodinana voalohany dia 53%, tamin’ny fihodinana faharoa dia 48%. Raha ny fahitaha an’io tahan’ny fandraisana anjara amin’izao fotoana io dia eo amin’ny 40% eo. Izany hoe, latsaka 8% monja tamin’ny fifidianana ny taona 2018. Tsy mitombina, araka ny filazana fa ny maro an’isa 60% an’ireo mpifidy voasoratra anarana tao anatin’ny lisi-pifidianana dia nanaraka ny antson’ny Kandidà 10 hoe tsy mifidy. Raha jerena ny taham-pandraisana anjara tamin’ireo fifidianana Filohan’ny Repoblika nifanesy, dia teo anelanelan’ny 40 ka hatramin’ny 60% eo hatrany. Misy antsasamanila na antsasany latsaka kelin’ny mpifidy izay tsy mandrotsa-bato foana isaky ny fifidianana, ka izay no tsy mampitombona ny fomba fijerin’ny mpanohitra.




