Songadim-baovaoSosialy
FIRONGATRY NY CORONAVIRUS : Mihemotra amin’ny 17 Janoary 2022 ny fidiran’ny mpianatra eto Analamanga
Raha tokony ho anio 5 Janoary 2022 no fidiran’ny mpianatra ao anatin’ny roa volana fahatelo amin’ity taom-pianarana ity, araka ny voafaritra tao anaty tetiandrom-pampianarana ny 30 Jona 2021, dia nihemotra ho amin’ny Alatsinainy 17 Janoary 2022 izany ho an’ny eto Analamanga manokana, vokatry ny firongatry ny tsimokaretina Coronavirus.
Niainga tamin’ny antso fanairana nataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny amin’ny firongatry ny valanaretina eto Analamanga, izay tsy mahazo ny olon-dehibe fotsiny ihany fa mahatratra ny ankizy maro ihany koa, dia namoaka naoty ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, fa mihemotra amin’ny 17 Janoary 2022 izao ny fidiran’ny mpianatra eto Analamanga amin’ny roa volana fahatelo. Tsara ho fantatra fa tokony ho anio io fidiran’ny mpianatra io, araka ny didim-pitondrana mirakitra ny tetiandrom-pampianarana navoakan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny 30 Jona 2021.
Araka izany, avy hatrany dia mampihatra izay voalazan’io naoty io avokoa ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany eo amin’ny lafiny fanabeazana, manomboka amin’ny Talem-paritra, Cisco, Zap, ary ireo talen-tsekoly. Raha ny fanazavana hatrany, efa entanina sahady ireo tomponandraikitra isanisany ireo hametraka fomba fiasa hahafahana manaja ireo fepetra ara-pahasalamana, amin’ny fotoana hiverenan’ny fampianarana.
Tsy vitsy ireo ankizy voamarina fa mitondra ny tsimokaretina
Efa nambara ombieny ombieny fa ny Coronavirus dia tsimokaretina tsy mifidy sokajin-taona, na sokajin’olona. Tsy afaka miala ao anatin’izany ny ankizy sy ny zaza. Izany hoe, ny zaza sy ny ankizy dia mety ho voan’ny Covid-19 koa raha mifanerasera amin’ny olona mitondra ny tsimokaretina, hoy ny Dokotera Vololoniaina Manuella Talen’ny DVSSER na ny foiben’ny andrimaso ara-pahasalamana, fanarahamaso ny aretina sy ny valanaretina ary ny fiatrehana azy, eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Nambarany fa tamin’ny onja voalohany dia maro ireo ankizy voan’ny Covid-19, satria tsy mbola ampy traikefa amin’ny fiatrehana izany isika. Tamin’ny onja faharoa kosa, dia hita fa vitsy dia vitsy ireo ankizy voamarina fa mitondra ny tsimokaretina. Ny antony nahatonga izay dia ny fanakatonana sekoly sy ny fanajanonana ny fampianarana. Izany hoe, tsy nifanerasera sy nifampikasoka ireo zaza ireo fa nijanona tany an-trano avokoa. Dikany, mihena ny mety hahazoan’izy ireo ny tsimokaretina.
Manatona tobim-pahasalamana
Amin’izao fotoana, na dia anaty vanim-potoan’ny fialantsasatra aza ny mpianatra, dia mbola mivoaka mandeha mitsangantsangana sy mijerijery fety ny ankizy. Any amin’ireny toerana ireny indrindra no mety hahazoan’ny zaza na ny ankizy ny tsimokaretina. Araka izany, tsy vitsy ireo ankizy voamarina fa voan’ny Covid-19. Tranga izay tsy tokony hahagaga, hoy ity tomponandraikitra ity, satria anaty lojikany tanteraka. Na izany aza, ireo ankizy ireo rehefa misy soritr’aretina mitovitovy amin’ny sery na ny gripa na manavy, dia tsara indrindra raha manatona ny tobim-pahasalamana natokana ho an’ny zaza. Azo atao ihany koa ny manatona CSB II. Notsindrian’ity tomponandraikitra ity anefa fa amin’ny maha zaza sy ankizy azy ireo dia sokajina ho marefo izy ireo. Raha azo atao noho izany ny tsy mitondra ny ankizy mivoaka ny trano dia tsara kokoa raha tsy entina mivoaka. Mila sasana matetika ny tanana, ary tokony hampanaovina arotava hatrany ihany koa ireo zaza, ary manaja ireo fepetra sakana rehetra, hoy hatrany ny fanazavana.




