
PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FIRONGATRY NY DORO TANETY: Misy antony ara-politika, olona telo voasambotra tao Taolagnaro
« Saika izao tontolo izao no mizaka io doro ala io. Ho an’i Madagasikara manokana, dia 6 tapitrisa ha no velarantany may, ho an’ny taona 2024. 2% monja no doro ala, fa ny 98% kosa, dia tanety sy kijana ». Io no navoitran’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Max Andonirina Fontaine, omaly nandritra ny filankevitry ny minisitra. Mahatratra 167 ny raharaha mandeha eny amin’ny fitsarana ankehitriny momba izany, izay midika fa misy ny ezaka atao amin’ny fampiharana ny sazy, araka ny lalàna. Tsy miraviravy tanana ny Fanjakana, ary maro ny fepetra efa noraisina momba ny ady amin’ny doro tanety. Mijery alavitra momba ny ady amin’ny doro tanety. Satria sarotra aleha ny toerana misy ny afo, dia hisy ny famatsiana fitaovana. Hisy, araka izany, ny fividianana na fanofana ireo fitaovana avo lenta hamonoana ny afo, amin’ny alalan’ny fampiasana angidimby. Andraikitra iombonana ny ady amin’ny afo, ary hatsaraina ny rafitra.
Anisan’izany apetraka mazava ny fanentanana ny mponina momba ny voka-dratsin’ny afo. Misy ny fahadisoan-kevitra any ambanivohitra any, izay milaza fa ny setroky ny doro tanety dia misintona orana. Mila firaisan-kina sy fiaraha-miasa ny ady amin’ny doro tanety, indrindra eo amin’ireo departemanta hafa. Ankoatra izay, nahitsy ny minisitra nilaza fa ilaina ny fanamafisana ireo dina sy ny komity eny ifotony, izay mahatratra 4683 ankehitriny, ny komity miaro ny doro tanety ary efa novatsiana fitaovana izy ireo. Manampy ireo, nisy ny fananganana ny CCO miady momba ny afo, izay efa najoro. Io CCO io, araka izany, no mandrindra ny ezaka manerana ny Nosy, izay mifandray amin’ny CCO any amin’ny Faritra.
Olona telo voasambotra
Fanetriben’ny firenena sy ny fiarahamonina ny doro ala sy ny doro tanety, raha ny nambaran’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy hatrany, satria manimba ny tontolo iainana. Isan’ireo manova izany ny fanaovan’ny olona tavy sy ny fanaovana saribao. Eo koa ny fikasana ratsy izay matetika misy antony ara-politika. Tany amin’ny manodidina ny Tolagnaro, ohatra, tao Mandena, dia nisy fandorana telo misesy, izay mifanalavitra ny tebok’afo. Nisy ny fandraisana andraikitra notanterahin’ny mpitandro filaminana, ka nisy olona telo tra-tehaka tamin’ireo mpandoro tanety. Efa mandeha, araka izany, ny fanadihadiana momba azy ireo, eo anatrehan’ny Zandarimaria sy ny Fitsarana. Isan’ny akony lehibe ho an’ny doro tanety ny fisian’ny haintany, izay misy fiantraikany amin’ny fambolena. Nasongadin’ny minisitra Max Fontaine hatrany fa mitaky sazy henjana, izay efa misy volavolan-dalàna nomanina. Ny ezaka dia tokony horaisin’ny rehetra, mila mamela lova ho an’ny taranaka fa tsy hamela loza, hoy hatrany ny fanehoan-keviny.
Rado Harivelo



