Fanadihadiana Manokana

FIRONGATRY NY FISOLOKIANA AO AMIN’NY FESIBOKY: Lasibatra ny olona marary, fianakaviana manana maty, sy ireo mpanjifa

Any amin’ny tambazotran-tserasera indray no manao ny asa ratsiny ireo mpisoloky. Nirongatra ny trangana fisolokiana ao amin’ny fesiboky tato ho ato. Lasibatra voalohany amin’izany ireo olona marary, fianakaviana manana havana namoy aina na ihany koa ireo mpanjifan’ny varotra an’habaka. Fantaro anefa fa enjehin’ny lalàna ny fanaovana fisolokiana.

Mbola mijanona ho tambazotran-tserasera betsaka mpampiasa indrindra eto Madagasikara hatrany hatreto ny fesiboky. Raha ny tatitra niainga avy amin’ny fanadihadiana EPM (Enquête Périodique auprès des Ménages) 2021-2022 nivoaka tamin’ny volana jona 2024 dia ny 54,6%-n’ny Malagasy no mampiasa finday 1 farafahakeliny ka ny 7,1% amin’ireo no manana fahafahana manao aterineto. Ao anatin’izay fampiasana aterineto izay dia mibahan-toerana ny fampiasana fesiboky izay mahatratra 97,4%. Ankilany, nambaran’ny Ecofin fa nahitana fiakarany 68,9% tao anatin’ny telo taona, teo anelanelan’ny taona 2019 sy 2022, ny isan’ireo mpampiasa aterineto teto Madagasikara. Tamin’ny fiandohan’ny taona 2024 lasa teo, araka izany, dia nahitana fitomboany ny antontanisan’ny mpampiasa aterineto teto Madagasikara izay tafiakatra 6,31 tapitrisa. Nisy elanelana 2,4% na 149 000 raha ampitahaina amin’ny antontanisa tamin’ny taona 2023. Raha ny antontanisa farany, maro an’isa amin’ireo mpampiasa aterineto eto Madagasikara hatrany ny mpanao fesiboky. 2,8 tapitrisa ny antontanisa tamin’ny taona 2020. Izany hoe ny 10,7%-n’ny Malagasy no mampiasa fesiboky ary 17,76%-n’ny mponina 14 taona noho mihoatra. Ho an’ny eto amin’ny Faritra Analamanga manokana, ny 68,27%-n’ny mponina mihoatra ny 14 taona no mampiasa fesiboky.

Sehatra hifanenan’ny tolotra sy ny tinady

Araka izany, sehatra iray hifaneraseran’ny olona maro ny fesiboky eto amintsika. Noho izay maha betsaka mpampiasa azy izay dia lasa sehatra azo ampiroboroboana tsara ny tolotra sy ny tinady ihany koa izy. Tsara anefa ny manamarika fa natao hifandraisana fotsiny ihany no tena antony nananganana ny fesiboky tany am-boalohany. Tsy nijanona hatreo fa lasa sehatra hitadiavam-bola izany ankehitriny. Ao no ahitana mpivarotra amin’ny endriny marolafy, na fitaovana izany na tolotra. Misongadina amin’izao fotoana ny  fahamaroan’ireo mpanao varotra an’habaka na “Vente en ligne”. Ankoatra io, mahazo vahana ao amin’ny fesiboky ihany koa tato anatin’ny taona maro ny fifandraisana amin’ny fanaovana antso tolotanana ho an’ireo fianakaviana mila fanampiana, indrindra ireo izay manana fianakaviana marary.

Nohararaotin’ireo mpanao asa ratsy anefa izay firoborobon’ny fesiboky eto Madagasikara izay. Tsikaritra tato ho ato fa mirongatra ny fisolokiana ka lasibatra voalohany amin’izany ireo fianakaviana manana havana marary mila tolotanana sy ireo fikambanana manampy ireo fianakaviana ireo. Raha ny marimarina kokoa, manangana kaonty mampiasa ny anarana sy sarin’ny fikambanana mpanao asa soa ireo mpisoloky ka maka ny anjara fanampiana tokony handeha mivantana any amin’ny marary na fianakaviana mila tohana. Miparitaka amin’izao fotoana ireo kaonty fako manao izay asa ratsy izay ka na sarin’olona efa namoy ny ainy aza dia mbola ampiasain’izy ireo ihany hangalana vola. Isan’ireo lasibatra vao tsy ela izay ry zareo avy ao amin’ny “compassion Madagascar”. Ity farany izay fikambanana manampy ankizy marary, indrindra ireo izay manana tranga manokana, tokony ho raisina an-tanana eny amin’ny hopitaly lehibe. Raha ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’ny alarobia lasa teo dia mahatsapa ny fikambanana fa mirongatra ny fisolokiana eto Madagasikara. Maro ireo pejy hafa mangalatra ny anaran’ny fikambanana, ny sary famantarana sy ny sary rehetra amin’ny rantin’izy ireo. Manao ranty tsy mitombina ireo mpisoloky ary misy olona voafitaka ka mandefa vola any amin’ireo mpanao asa ratsy ireo. “Mampitandrina izahay mba ho fiarovana ny rehetra”, hoy ny fampafahantarana. Noho izany, fepetra noraisin’ny “compassion Madagascar” ny fampihatoana ny fampahafantarana ireo ranty maneho olona marary. Na izany aza, “mbola hanampy ireo marary mila fanampiana izahay ka manasa anareo efa mpanohana sy te hanohana hifandray mivantana aminay. Hanatona ny birao ihany koa (pédiatrie Befelatanana) mba hitohy am-pilaminana ny asa fanasoavana”, hoy hatrany ny fanazavana.
Ankoatra ny marary, mbola lasibatra ao anatin’izay asa fisolokiana ao amin’ny fesiboky izay ihany koa ireo fianakaviana manana havana namoy ny ainy. Fomba fiasan’ireo mpanao ratsy amin’izany ny hoe rehefa mahita ranty famoizana aina ao amin’ny fesiboky izy ireo ka lavitra ny fianakaviana ny razana dia hararaotin’izy ireo izany tranga izany. Mamoaka ranty ny mpisoloka milaza fa havan’ny maty ka mangataka vola mba hitondrana ny razana eo anilan’ilay fianakaviana. Tranga maro no lasibatra tamin’izany tato ho ato ka naneho fitaraina ireo tena fianakaviana mana-manjo.
Tamin’iny tontolo andron’ny omaly iny, mpanao “vente en ligne” fanta-daza miisa 3 tao amin’ny fesiboky ihany koa no nanambara fa lasibatra tamin’ny fisolokiana indray ny mpanjifan’izy ireo. Any anaty varotra an’habaka, fomba fiasan’ireo mpisoloky ny manaraka ireny tafa mivantana na “live” fivarotana ireny. Maka ny laharana findain’ny mpanjifa mifampiresaka mivantana amin’ny mpivarotra ny mpisoloky. Miantso iny mpanjifa iny izy avy eo ary mitonona ho mpiasan’ilay mpivarotra. Maka mialoha ny vola tokony halohan’ilay mpanjifa ka rehefa azony ny vola dia tapahany avy hatrany ny fifandraisana rehetra aminy.

Heloka enjehin’ny lalàna ny fisolokiana

Nihabetsaka, noho izany, ireo fitarainana voaray teny anivon’ny mpitandro filaminana mahakasika ireo trangana fisolokiana eny amin’ny fesiboky ireo, raha ny nambaran’ny loharanom-baovaonay. Nampahafantarin’ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena fa heloka enjehin’ny lalàna ny fisolokiana. Heloka enjehin’ny lalàna mitovy amin’izany ihany koa ny fampiasana sary tsy nahazoana alalana. Ary mbola enjehin’ny lalàna ny fanararaotana ny halemen’ny hafa mba hahazoana tombontsoa. Araka izany, azo atao tsara ny mikaroka ireo olona manahavon-doza ireo rehefa manao fitoriana na fitarainana ny lasibatra. Entanina hatrany izy ireo mba hanao izay fitoriana izay.
Mba tsy hahatongavana amin’zany anefa, mila mitandrina, hoy ireo tompon’andraikitra, mba tsy ho voafitak’ireo mpisoloky. Mila hamarinina tsara ny olona andefasana fanampiana, ho an’ny tranga mifandraika amin’izany. Rehefa misy ireny tranga mila tolotanana ireny, tsara kokoa ny mandeha mijery ilay olona marary mahita maso azy. Tonga any amin’ny iantefany amin’izay fotoana izay ny fanampiana ary hery lehibe ho an’ny fianakaviana ny mahita izany. Ho an’ireo mpanjifa an’habaka kosa, tsara raha ny pejy nividianana entana ihany no hifaneraserana fa tsy ho sodokan’ny antso an-tariby ka tonga any amin’izay fisolokiana izay.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer