PolitikaSongadim-baovao

FIROSOANA AMIN’NY FIFIDIANANA: « Tsy tokony hanaiky fanakorontanana ara-politika isika », hoy ny Praiminisitra

« Firenena mandala ny demokrasia isika ka mihaino ny vitsy an’isa ary mandray ny hevitry ny maro an’isa koa. Tsy tokony hanaiky ny fanakorontanana ara-politika isika, mba hahatongavana amin’ny fifidianana tomombana hisehoan’ny safidim-bahoaka », hoy ny Praiminisitra omaly tao Morondava, raha nitarika sy nanokatra ny « Fikaonan-doha iraisam-paritra momba ny fiarovana sy ny filaminana ».

Tontosaina ao Morondava amin’izao fotoana izao ny « Fikaonan-doha iraisam-paritra momba ny fiarovana sy ny filaminana », izay eo ambany fitarihan’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Hetsika lehibe izay tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano voalohany amin’ny vina nentin’ny Filoham-pirenena, dia ny fanarenana ny fandriampahalemana. Hetsika ifanakalozana sy handraisana ny soso-kevitra avy eny ifotony, entina hamahana ny olana isam-paritra, ka hatomboka ho an’ny Faritra Bongolava sy Melaky, Vakinankaratra, Menabe ary Atsimo Andrefana. Nomarihin’ny Praiminisitra ny tokony hananan’ny Malagasy rehetra ny kolontsain’ny filaminana ao anaty fitiavan-tanindrazana, ka iarahan’izy ireo hiasa amin’ny rafitra efa napetraka hiandraikitra izany filaminana izany.

« Firenena mandala ny demokrasia isika ka mihaino ny vitsy an’isa ary mandray ny hevitry ny maro an’isa koa. Tsy tokony hanaiky ny fanakorontanana ara-politika isika, mba hahatongavana amin’ny fifidianana tomombana hisehoan’ny safidim-bahoaka », hoy izy. Niantso ireo tomponandraiki-panjakana rehetra ny lehiben’ny Governemanta handray ny andraikitra manandrify azy avy ary hiasa ho an’ny tombontsoa ambonin’ny vahoaka hatrany.

Fifidianana milamina…

“Madagasikara tsy maintsy Mandroso, andao hiara-hisalahy ho an’ny filaminam-pirenena” io no fotokevitra itondrana ny fakan-kevitra tanterahina ao Morondava nanomboka omaly 3 aogositra. « Lasitra entina hampandry fahalemana ny Faritra rehetra eto Madagasikara ny paikady hivoaka mandritra ity fakan-kevitra ity », hoy ny Jly Josoa Rakotoarijaona. Paikady mahomby sy maharitra ary hipaka mivantana amin’ny fiainam-bahoaka. Tanjona amin’ity fihaonana ity koa ny fametrahana fanamby ho amin’ny fifidianana milamina. Manentana ny tsirairay samy haneho ny heviny, hanajanona izay adiady, hoentina hamahana ny olana arakaraky ny zava-misy. Hanolotra hevitra tsy am-pihambahambana, am-panajana, hiadanan’ny tany sy ny fanjakana hahafahan’ny vahoaka mifidy ny olona hitondra ny firenena ny minisitra mpiahy.

Nahitam-pivoarana ny fandriampahalemana

Tamin’ny lanonana lehibe natao tao amin’ny Kianja filalaovana baolina kitra amin’ny torapasika, omaly no nanatanterahina izany lanonam-panokafana amin’ny fomba ofisialy tao Morondava. Nisy ny ezaka nataon’ny Fitondram-panjakana momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana tamin’ny fampitaovana ny Foloalindahy malagasy. Ao koa ny fananganana fotodrafitrasa toy ny DSS ho an’ny Tafika Malagasy, ireo Fitaleavam-paritra ho an’ny Polisim-pirenena ary ny CSAO ho an’ny Zandarimariam-pirenena. Misy ny vokatra azo tamin’ny ezaka natao satria maro ireo faritra voasokajy ho faritra mena teo aloha no azo lazaina fa efa nahitam-pivoarana raha ny tontolon’ny filaminana sy ny fandriampahalemana.

Tetsy ankilany, nanamafy ny maha zava-dehibe izao fikaonan-doha iraisam-paritra izao ny Minisitry ny Fiarovam-pirenana satria ny hevitr’ireo mpisehatra rehetra eny anivon’ny faritra no enoina ahafaha-mametraka paikady sy fanapahan-kevitra mahomby sy maharitra amin’ny fampandriana fahalemana ny Nosy, izay velirano voalohan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Niroso avy hatrany tamin’ny fakan-kevitra iombonana ireo Tomponandraikitra omaly tolakandro ary hizara amin’ny vaomiera dimy ka handinika ny lohahevitra mikasika ny sehatra misy azy ireo tsirairay. Ho aravona sy ho fintinana ny tolo-kevitra voaray mandritra ny fikaonan-doha ataon’ireo mpandray anjara ka omena ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika izay hanolotra izany an’Andriamatoa Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Tiana ny manamarika fa teo ambany fiahian’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian, notronin’ireo Minisitra mpikambana eo anivon’ny governemanta, ireo olom-boafidy sy tomponandraikitra eny anivon’ny Faritra Menabe, Vakinakaratra, Melaky ary Atsimo Andrefana.

Rado Harivelo.

Fermer