PolitikaSongadim-baovao
FIROTSAHAN-KOFIDIANA FILOHAN’NY REPOBLIKA : Hisokatra ny 23 Aogositra ny fametrahana antontan-taratasy, 200 Tapitrisa Ar ny saram-pandraisana anjara
Anisan’ny lahadinika nandritra ny Filan-kevitry ny Governemanta ny Talata 11 Jolay 2023 teo, ny fandinihana sy fandaniana volavolana Dídim-panjakana samihafa mifehy ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, izay hatao eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’l Madagasikara, amin’ny faran’ity taona ity. Nivoitra tao anatin’izany ny famaritana ireo tetiandro samihafa toy ny fahafaha-mametraka antontan-taratasy firotsahan-kofidiana, sy ny saram-pandraisana anjara izay niakatra ho 200 Tapitrisa Ariary.
Miroso tanteraka i Madagasikara amin’ny fikarakarana ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity. Ny Talata teo no nandraisan’ny Filankevitry ny Governemanta ireo Didim-panjakana miisa dimy, mifandraika amin’izay fikarakarana ny fifidianana izay, ka anisan’ny misongadina indrindra ao anatin’izay ny fiantsoana ny mpifidy handatsa-bato ny andron’ny 09 Novambra 2023 izao, ho an’ny fihodinana voalohany, ary ny 20 Desambra kosa raha toa ka misy ny fihodinana faharoa. Nivoitra tao anatin’ireo Didim-panjakana noraisina ihany koa fa kara-pifidianana vaovao tanteraka no hampiasaina amin’ny fifidianana filoham-pirenena araka ny voalazan’ny andininy faha-45 sy ny manaraka amin’ny lalàna fehizoro If: 2018-008 tamin’ny 11 Mey 2018.
Fampielezan-kevitra
Araka ny nivoitra tamin’ireo Didim-panjakana noraisin’ny Governemanta, dia ny Alarobia 23 Aogositra amin’ny 09 ora maraina, ka hatramin’ny Alarobia 06 septambra 2023 amin’ny 06 ora hariva no hisokatra ny fahafahana mametraka ny antontan-taratasy filatsahan- kotidiana, eo anivon’ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Ny Sabotsy 09 Septambra 2023 fara-fahatarany no mamaritra sy mamoaka ny lisitra tena izy sy ofisialin’ny kandida milatsaka hofidiana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny HCC, ary mampahafantatra avy hatrany ny CENI izany Iisitra izany, miaraka amin’ny sary famantarana (spécimen) an’ireo kandida tsirairay avy.
Ny Talata 10 Oktobra 2023 amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny Alarobia 08 Novambra 2023 amin’ny 00 ora no hatao ny fampielezan-kevitra amin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Ny Talata 05 desambra 2023 amin’ny 06 ora marana, ka hatramin’ny Talata 19 desambra 2023 amin’ny 00 ora kosa no hatao ny fampielezan-kevitra amin’ny fihodinana faharoa raha tsy maintsy hisy izany. Marihina fa bileta tokana (bulletin unique) no hampiasaina amin’ny fifidianana filoham-pirenena, mifanaraka amin’ny filaharan’ny kandida araka ny voafaritry ny fisarihana no laharan izy ireo ao anatin izany bileta tokana izany.
Kandida mahazo 10%
Araka ny voalazan’ny andininy faha-9 ao amin’ny lalána fehizoro lf:2018 009 tamin’ny 11 Mey 2018, dia tsy maintsy mandoa fandraisana anjara amin’ny fanontana ny bileta tokana any amin’ny « caisse de dépôts et de consignations » ny kandida rehetra hilatsaka hofidiana Filoham-pirenena. Ny Filan-kevitry ny Governemanta no mamaritra izany saram-pandraisana anjara na « cautionnement » izany araka ny tolokevitry ny CENI, hoy ihany io andininy faha 9 amin’ny lalana fehizoro io. Nolanian’ny Filan-kevitry ny Governemanta àry fa ferana ho roanjato (200) tapitrisa Ariary ny saram- pandraisana anjaran ny kandida tsirairay na ilay « cautionnement » amin’ny fanontana ny bileta tokana hampiasaina amin’ny fifidianana. Efa tamin’ny taona 2013 moa no nisy fanovana farany io sarany lo, araka ny fanazavana. Haverina amin’ny kandida kosa io sarany io raha mahazo 10% amin’ny vato manan-kery izy amin’ny voka-pifidianana ofisialin’ny fihodinana voalohany, araka ny avoakan’ny HCC.
Nisy koa ny fandraisana ny Didim-panjakana mamaritra ny endrika sy ny toetoetran’ny karatry ny mpifidy, sy ny mamaritra ny endrika itovizan’ireo antontan-taratasy takiana amin’ny kandida hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena
LALATIANA RAKOTONDRAZAFY: Miantso hatrany ny hisian’ny fitoniana
Manoloana ny fandraisan’ny Governemanta ireo Didim-panjakana samihafa ireo dia nanamafy ny antso ho amin’ny fitoniana sy ny tsy hisian’ny korontana omaly ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy. Betsaka, hoy izy, no te hanakorontana amina vanim-potoana toy izao satria tsy maniry ny hisian’ny fifidianana. Fotoana izay nanaovany antso avo manokana ihany koa ho an’ireo Haino Vaky Jery mba hahay andanjalanja tsara ny vaovao avoaka sy resahina rehetra. Sady mampilamina no mety hitarika amin’ny fikorontanana ihany koa ny haino vaky jery, hoy izy, ka ilàna fitandremana na dia samy manana ny zotram-panoratany aza. Nanome toky, araka izany, izany ity tomponandraikitra ity fa raha toa ka samy ao anatin’ny fanajana ny lalàna avokoa ny rehetra dia tsy tokony hisy ny korontana eto amin’ny tany sy ny firenena.



