
PolitikaSongadim-baovao
FISIANA KANDIDA MIROTSA-KOFIDIANA: “Porofon’ny maha ara-dalàna ny zotram-pifidianana”
Nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, nandritra ny fandaharana “Tsy ho Tompontrano Mihono” omaly, fa efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanomanana fifidianana ny Firenena malagasy ankehitriny. Efa nisy ireo datim-pifidianana naroson’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) izay efa nahazo fankatoavan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia ny 09 novambra 2023 ho an’ny fihodinana voalohany, ary ny 20 desambra 2023 ho an’ny fihodinana faharoa. Manaporofo ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny firosoana amin’ny fifidianana izany, hoy izy, fa tsy araka ny novoizina hoe mikasa hanemotra ny fifidianana ny Fanjakana.
Etsy ankilany, efa mihetsiketsika daholo ihany koa ireo etamazaoro politika maro. Isan’ny misongadina amin’izany ny fiverenana an-tanindrazana nataon’ny Filoha teo aloha Rajaonarimampianina, izay midika fanomanana fifidianana, na dia mbola tsy nilaza ny firotsahan-kofidiany aza izy. Eo koa ny avy amin’ny Antoko ARB, tarihin’Andriamatoa Andry Raobelina izay efa nilaza mihitsy fa ho isan’ny kandida hirotsaka hofidiana Filoham-pirenena. Efa mihetsiketsika nandritra ny fotoana naharitra koa ny Solombavambahoaka Siteny Andrianasoloniaiko, sy ireo mpanao politika hafa tombanan’ny maro fa mety hirotsa-kofidiana. Tsy hadino ny Filoha teo aloha Ravalomanana izay efa nitety toerana maro nandritra ny fotoana lava nanomanana ny fifidianana ho avy. Ireo rehetra ireo dia manambara ny maha ara-dalàna ny zotram-pifidianana mandeha ankehitriny, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta. Tsy tokony hisy ho lany andro amin’ny adihevitra tsy tokony hipetraka intsony, araka izany, ny mpanao politika hafa. Isan’izany ny avy amin’ny TIM sy ny RMDM izay mbola mitady fikaonandoham-pirenena indray, raha toa ka efa ny fifidianana no tokony himasoana ankehitriny.




