PolitikaSongadim-baovao
FISITRAHANA ZOM-PIRENENA MALAGASY : Tsy ampy ny fampahafantarana ilay tolo-dalàna 001/2021/PL
Tsy mbola tafiditra ao anatin’ny lahadiniky ny Solombavambahoaka amin’ity fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa ity indray ilay tolo-dalàna laharana 001/2021/PL mikasika ny Zom-pirenena malagasy. Tamin’ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ity taona ity no efa tokony ho nodinihina ny mahakasika io tolo-dalàna io, raha tsiahivina, saingy nahemotra ny fandinihana izany. Raha ny fantatra, dia marisarisa ireo Depiote amin’ny fandaniana io tolo-dalàna io, noho ny resabe mihodina manodidina azy. Isan’ny misongadina indrindra amin’izany ny mahakasika ny fisitrahan’ireo vahiny ny zom-pirenena malagasy. Tsy vitsy ireo mivoy fa fanamorana ny fisitrahan’ny “Karana” ny zom-pirenena malagasy no nanaovana io tolo-dalàna io, mba hahafahan’izy ireo mividy sy manjaka amin’ny tanin’ny Malagasy. Diso tanteraka anefa izany, raha ny fanazavan’i Lova Razafiarison, teknisianina ao amin’ny Focus Development Association. Nambaran’io tomponandraikitra io fa ho tombontsoan’ny Malagasy amin’ny fisitrahana Zom-pirenena no nanaovana io tolo-dalàna io, raha toa kosa na nohasarotina izany ho an’ny vahiny. Raha ny lalàna mihatra ankehitriny, 5 taona nipetrahana eto Madagasikara ny teratany vahiny iray, dia afaka mangataka zom-pirenena malagasy. Amin’io tolo-dalàna io kosa, dia 10 taona nipetrahana eto Madagasikara ny vahiny vao afaka mangataka izany.
Anjatony ireo olona tsy manan-tsata
Amin’ny ankapobeny dia tsy dia resahana betsaka ny tontolon’ny “apatride” eto amintsika, na ireo sokajin’olona “tsy manan-tsata”. Ireto farany izay olona tsy manana taratasy fanamarinana fisiana ara-panjakana sy araka ny lalàna, tsy afaka misitraka ireo zo isankarazany ihany koa, ary iharan’ny fanilikilihana samihafa eny anivon’ny fiarahamonina. Raha ny antontanisa nivoaka tamin’ny fanisana ny mponina farany ny taona 2018, na ny RGPH 2018, dia miisa 626 ireo “apatride” eto Madagasikara. Tsy ireo vahiny ihany no voakasik’izany, fa maro koa ireo olona manana Ray sy Reny malagasy saingy tsy manana zom-pirenena malagasy, izay tafiditra ao anatin’ny “apatride”. Ho fanampiana azy ireny hisitraka ny zom-pirenena malagasy mihitsy no antom-pisian’ity tolo-dalàna ity, araka ny fampahafantarana nataon’ireo teknisiana teo anivon’ny Focus Development Association.
Araka izany, nandiso ireo hevi-diso rehetra mahakasika ity tolo-dalàna ity ireo teknisiana avy amin’ny Focus Development, izay misehatra amin’ny fiarovana ny zo maha olona. Etsy ankilany, hiroso amin’ny fampahafantarana bebe kokoa ny olom-pirenena an’ity tolo-dalàna ity izy ireo, izay efa natomboka tamin’ny alalan’ny atrikasa niarahana tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy Tsaralalàna. Fotoana izay nifanakalozan-kevitra momba ireo teboka mahatonga resabe ao anatin’ny tolo-dalàna laharana 001/2021/PL.




