SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FISOKAFAN’NY ZOTRA: Namoaka fepetra mialoha ny ATT
Manoloana ny mety ho fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana eo amin’ny fanokafana ny Zotra nasionaly sy rezionaly, araka ny hetahetan’izy ireo sy ny mpandeha, nisy ny fanomanana mialoha ireo Kaoperativa sy mpitatitra nataon’ny ATT. Nametraka fepetra vitsivitsy ho arahin’ny rehetra, mifanaraka amin’ny fepetra ara-pahasalamana, ity Antokon-draharaha misahana ny fitaterana ity…
Tsy mbola fantatra, hatreto, ny fotoana hisokafan’ny Zotra nasionaly sy rezionaly miainga eto an-dRenivohitra, rehefa natsahatra dimy volana noho ny “Hamehana ara-pahasalamana”. Miankina tanteraka amin’ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana izany, araka ny namafisin’ny Tale jeneralin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), Jeneraly Reribaky Jeannot, omaly tetsy Ambodivona. Nambarany kosa fa azo atao sahady ny miomana mialoha n’ny fotoana hisokafan’izay zotra izay, mba tsy hanapoka azy ireo sy tsy hizoran’ny fitaterana amin’ny ara-dalàna. Manoloana izany, nisy ny famorian’ny ATT ireo Kaoperativa sy mpitatitra, mikasika io fiomanana mialoha io. Nivoitra tamin’izany ireo fitarainana nomban-tsoso-kevitra maro avy amin’izy ireo. Tetsy an-kilan’izany, nisy ireo tondrozotra sy lamina napetraky ny ATT, izay mifanaraka amin’ireo hetaheta voarainy. Notsindrian’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana ity, fa hosokafana tsikelikely aloha ireo zotra, hisorohana ny mety ho fitangoronan’ny olona betsaka eny amin’ireo toby fiantsonana, izay miteraka tsy fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana. Mila fiomanana ara-toe-tsaina, ara-pitaovana sy ara-batana koa izy ireo, indrindra ny mpamily izay tsy niasa fotoana maro. Tsy maintsy hapetraka ny fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny fitateram-bahoaka, ary ireo lamina hampirindra tapaka nandritra io fakan-kevitra natao io. Zotra mandeha isam-paritra (Axe) miisa roa na telo isan’andro no hanombohana izany. “Ohatra ny RN1 sy RN2 isaky ny alatsinainy”, hafa indray ny andro manaraka, raha io fepetra avy amin’ny ATT io. Voafetra toy izany koa ny ora hiaingan’ny fiara. Tsy misy olona mahazo miditra ny toby fiantsonana, afa-tsy ireo mpiasa irery ihany. Eo amin’ny saran-dalana indray, napetraky ny ATT fa tsy tokony hiova tamin’ny teo aloha, saingy mety hiova izany raha ferana ny isan’ny olona isaky ny laharan’ny seza (ranger). Raha fiara “Mazda” dia olona roa, raha telo no nahazatra, “Sprinter” olona telo, raha efatra no nahazatra, torak’izany ny “Carandale” olona efatra, raha enina no nahazatra.
Foanana ny gaboraraka
Maro ireo Kaoperativa sy mpitatitra no nanamarika nandritra io fihaonana tamin’ny ATT tetsy Ambodivona io, fa mbola nisy hatrany ireo fiara mpitatitra nandeha tao anatin’ireny fotoana tsy nafahan’ny zotra nandeha ireny, na dia efa naato aza ny fanomezana fahazoan-dalana. Manoloana izany, nanome soso-kevitra ny sasan-tsasany tamin’izy ireo fa tokony hiasa isan’andro ireo toby fiantsonana, manoloana ny fisian’ny gaboraraka sy ny fitaterana tsy ara-dalàna. Ho an’ny mpitantana ny toby fiantsonana Fasan-karàna, Razafimanantsoa Vincent de Paul, ohatra, nilaza ny fahavononany hanaraka ireo fepetra rehetra napetraky ny ATT sy izay homen’ny fitondram-panjakana, saingy nangataka fiasana isan’andro, hisorohana ny fironan’ny mpandeha amin’ireo fitaterana tsy ara-dalàna, izay tsy mbola nahitam-bahaolana hatramin’izao. Notsindrian’ny ATT fa efa tokony hivonona dieny izao, ary samy hametraka ny drafitra entiny manokatra ny asa fitaterany ireo toby fiantsonana sy ny kaoperativa tsirairay, saingy tokony hifanaraka hatrany amin’ireo fepetra iombonana. Anisan’izany koa ny fanadiovana ny toby fiantsonana, ny fanomanana ara-teknikan’ny fiara manoloana ireo pitsopitson’antontan-taratasy, afa-tsy ny “Lisansa” izay mbola hijerem-bahaolana eo amin’ny fanamorana ny fandoavana, raha ny voalazan’ny Tale jeneraly. Hampiharina anatin’ny iray volana ireo fepetra raha vao misokatra ny zotra, ary havaozina hatrany izany rehefa hita fa mahomby.




