Songadim-baovaoToekarena

FISOLOKIANA ARA-BOLA: Orinasa manao fampindramam-bola tsy ara-dalàna miisa telo nakatona

Tokony ho eo ambany fanarahamason’ny Banky Foiben’i Madagasikara avokoa ireo orinasa na banky misehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana ara-bola eto amintsika. Misy anefa ireo manao izany tsy anatin’ny sehatry ny ara-dalàna, ka voatery nandraisana fepetra tato anatin’ny taona vitsy. Nisokatra nanomboka omaly moa ny hetsika “Global Money Week” andiany 2025 izay hanamafisana ny fanabeazana ara-bola ho an’ny olom-pirenena rehetra, indrindra ireo tanora sy ankizy.

Efa mandroso i Madagasikara raha ny lafiny fampiatiana ara-bola no asian-teny, raha ny nambaran’ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara (Commission de supervision Bancaire et financière), andriamatoa Seheno Ranaivoson. Raha ny taha ankehitriny dia efa mitombo isan-taona ireo Malagasy misitraka tolotra ara-bola, na amin’ny fanaovana tahiry izany na findramam-bola na fandefasana vola.

Ny hetsika tena ataon’ny banky foibe ankehitriny dia mifandray amin’ny lohahevitry ny fanamarihana ny Global Money Week andiany 2025, manao hoe “Aza manaraka hambokony, ampiasao ampahendrena ny volanao”. Ny Banky Foibe dia mipetraka amin’ny maha mpanara-maso azy, araka ny fanazavana. Misy ireo mpandraharaha izay efa nahazo fankatoavana, na banky na ireny mpampindram-bola madinika ireny, eo koa ireo mpanao “mobile money”, izay azo antoka ny ampiasana ny vola ao aminy. Tato anatin’ny taona vitsy anefa izay, vokatry ny toroka avy amin’ny mpanjifa ihany dia orinasa misehatra amin’ny fampindramam-bola madinika miisa telo no nandraisan’ny Banky Foibe fepetra, ary nakatona noho ny tsy fanarahan-dalàna. Anisan’izany ny orinasa iray tao Alaotra Mangoro, Toamasina, ary teto Antananarivo. Manao asa fandraharahana ara-bola izy ireo kanefa tsy eo ambany fanarahamason’ny Banky foibe akory, araka ny nambaran’andriamatoa Seheno Ranaivoson hatrany.

Taty aoriana dia nisy koa ireo orinasa izay manao tolotra samihafa, voalaza fa hahafahana mampitombo vola aingana, izay miely eraky ny tambazotran-tserasera. “Miantso fahamailoana amin’ireny tranga ireny ny banky foibe. Mbola tsy voafehy ireny fampiasana vola ireny. Ary mbola tsy voamarina araka ny tokony ho izy”, hoy hatrany ity tomponandraikitra ity. Ao anatin’izany anefa dia tsy mipetra-potsiny ny Banky foibe fa mametraka sehatra hahafahana manara-maso azy ireo. Amin’izao fotoana dia efa nisy fifanankalozana, ary efa nangatahana ireny mpisehatra ireny mba itambatra anatina fikambanana iray. Io Vondrona io avy eo no mifandray amin’ny Banky Foibe mba ijerena izay ataon’izy ireo. Rehefa fantatra ny ataon’izy ireo dia jerena indray ny fepetra hahafahana manara-maso azy. Miankina amin’ny ambana amin’ny zavatra ataon’izy ireo no hahafahana manara-maso azy, hoy ny fanazavana.

Fanabeazana ara-bola

Nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy rahampitso, tsy diso anjara amin’ny fankalazana ny Global Money Week andiany 2025 isika eto Madagasikara. Lohahevitra noraisina amin’izany ny hoe “Aza manaraka hambokony, ampiasao ampahendrena ny volanao”. Nanomana hetsika ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka aminy rehetra, ny Banky Foiben’i Madagasikara, ireo mpandraharaha misehatra amin’ny lafiny ara-bola, izay  nanao ny hetsika nanomboka omaly. “Antenaina hanabe ny fianakaviana malagasy izao hetsika izao mba hitondra fahamailoana bebe kokoa amin’izay mety ho trangana fisolokiana ara-bola. Maro ireo mpisoloky any amin’ny tambazotran-tserasera, ka mila fahamailoana”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Andry Ramanampanoharana.

Tsara ho fantatra fa mpanohana ofisialy ny Global Money Week ny Yas Madagascar. Nisafidy ny hanohana ity hetsika ity ny Yas satria ny Global Money Week dia manana tanjona ny hampianatra ny tanora hahay hikirakira vola, ary indrindra hikarakara ny hoaviny. Araka izany, nanohana ny Yas Madagascar satria fampivoarana sy fampandrosoana ny tanora no tanjona, ary indrindra ho fanabeazana ihany koa. Tsara ho fantatra fa asa maro no nataon’ny Yas ho fanohanana izay sehatry ny fampianarana izay, raha tsy hilaza afatsy ny tamin’ity taona 2025 ity fotsiny, araka ny fanamafisana nataon’i Raharimanjato Elie Malala, avy amin’ny  Yas Madagascar.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer