Songadim-baovao
Fisolokiana sy fivadiham-pitokisana : Voasambotra tany Toamasina ilay Ramatoa nokarohina fatratra
Sarona tany Toamasina afakomaly, ilay Ramatoa efa nokarohin’ny Polisy fatratra momba ny resaka fisolokiana avo lenta nataony. Fivarotana tany mirefy 63 Ara 00 Ca tany Ambatomirahavavy mitentina 130 Tapitrisa Ar no lasany tamin’izany…

Tra-tehaka tany Toamasina afakomaly, ilay Ramatoa antsoina hoe : Faravoloniaina Edmonde nokarohin’ny Polisy ekonomika fatratra. Efa namoahana didy fikarohana mihitsy izy, nanomboka ny 30 janoary 2020, ka izao vao voasambotra. Fisolokiana sy fivadiham-pitokisana no fiampangana an’ity Ramatoa mpisoloky gagivavy ity. Nipetraka tao amin’ny Villa Diamondra, Kianjamalaza Andriantompoiray, Kaominina ambanivohitra Ambatomirahavavy, no nahitana azy farany. Nambaran’ireo fianakaviana lasibatra tamin’ity fisolokiana sy fivadiham-pitokisana nataon’ity olona ity, fa niditra tao amina hotely iray tany Toamasina izy afakomaly io no hitan’izy ire. Avy hatrany dia niantsoana polisy tao an-toerana. Amin’ity anio ity, ilay mpisoloky no hiakatra eto Antananarivo hanaovana fanadihadiana. Fivarotana tany mirefy 63 Ara 00 Ca amin’ny « titre N° 2532 » atao hoe Vohimasina Ambatomirahavavy no nanaovan’ilay mpisoloky asa fisolokiana sy fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka.
Vola 130 tapitrisa Ar voasoloky

Fanomezam-pahefana avy amin’ny tompon’ny tany, izay hosoka no entin’ilay Ramatoa misoloky, ka nahazoany vola mitentina hatrany amin’ny 130 Tapitrisa Ar, izay efa tapitra voarainy avokoa. Rehefa andeha hikarakara ny taratasin’ny tany teny amin’ny Sampandraharaha misahana ny fananan-tany ireo olona mpividy vao tratran’ny fanohanan’ny tena tompon’ny tany. Tsy ireto olona ireto ihany no lasibatra amin’izao asa fisolokiana sy fivadiham-pitokisana izao fa olona marobe, raha ny fanampim-panazavan’ny lasibatra. Andrasana ny tohin’ny raharaha izay efa eo am-pelatanan’ny polisy.




