Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FISOLOKIANA : Voasambotra ilay Ramatoa nisoloky 100 Tapitrisa Ar
Ramatoa iray nisoloky volabe nitentina 100 tapitrisa A r mahery no voasambotra ary efa natsahatra ny filazana fikarohana azy. Olona dimy samihafa no nitory azy, izay nilazany fa anaovana afera tongolo, kanjo nanjavona izy rehefa azony ny volan'olona. Ramatoa iray mpampiantrano no notazomina noho ny firaisana tsikombakomba…
Tsy afa-bela teo amin’ny fahaiza-manaon’ny Zandarimaria ! Nitsoaka sy niery ny Ramatoa iray, izay namoahana filazana fikarohana, R. Zo, izay nivoaka tamin’ny tambazotran-tserasera ara-tsosialy « facebook », ny farany volana marsa 2025 lasa teo. Araka ny nambaran’ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, dia tapitra ny fikarohana an’io Ramatoa io satria, ny sabotsy 05 avrily teo izy, taorian’ny fikarohana lalina tamin’ireo olona mifandray aminy, no nahatrarana ity Ramatoa nisoloky volabe anjatony tapitrisa ity. Fantatra fa nisitrika tany Fianarantsoa izy, rehefa avy nisoloky volan’olona 100 tapitrisa Ariary mahery. Olona dimy samihafa no nitory azy, izay nilazany fa anaovana afera tongolo, kanjo nanjavona izy rehefa azony ny volan’olona, izay tsy misy volakely fa tafakatra hatrany amin’ny 100 tapitrisa Ar mahery no vola lasan’ity Ramatoa ity. Natao ny fitadiavana niaraka tamin’ny Sampana fikarohana heloka bevava tao Fianarantsoa. Fantatra fa tao Manaotsara Fianarantsoa no nisitrihany. Raha ny fanadihadiana hatrany, nosamborina tao izy niaraka tamin’ilay nampiantrano nanafina azy. Efa tonga any Vangaindrano izy, nalain’ny Komandin’ny kaompania sy ny Filohan’ny Fampanoavana tany an-toerana. Nilaza fa marary ity Ramatoa malaza amin’ny resaka fisolokiana ity, ny alatsinainy hariva. Nentina avy hatrany tany amin’ny Hopitaly izy, ka efa nahazo fitsaboana. Mitohy ny fanadihadiana azy ka ny zandary ao Vangaindrano no misahana izany.
Rado Harivelo




