Fanatanjahan-tenaPolitikaSongadim-baovao
FISOMPARANA NY KITRA MALAGASY : Nomelohin’ny Filoha ny fihetsiky ny mpikambana sasany ao amin’ny Federasionina
Tsy maintsy ho tanterahina ny fitokanana ny kianjan’ny Barea Mahamasina, hoy ny Filoha Andry Rajoelina, saingy tsy afaka ny hifanindran-dalana amin’ny lalaon’ny Barea sy Bénin izany noho ny fanapahan-kevitry ny CAF. Ny Sabotsy 04 Septambra ho avy izao, araka izany, no hotanterahina ny fitokanana, raha toa kosa ka mijanona ho amin’ny Alakamisy 02 Septambra ny lalaon’ny Barea sy Bénin.
Nanakiana mafy ny taratasy nalefan’ny Federasionina Malagasin’ny Baolina kitra (FMF) teo anivon’ny CAF ka nitarika ny tsy fahazoan’ny olona hijery sy hanohana ny ekipa nasionaly ny Filoha Andry Rajoelina, omaly, nandritra ny fahatongavany teny Ivato. Efa nisy ny taratasy nosoratan’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, hoy izy, hahafahana manatanteraka ny Lalao sy ny fitokanana ny kianja teo anivon’ny FIFA sy ny CAF. Manamafy izany ny efa fahafehezana ny aretina Covid-19 eto Madagasikara. Figafiana sy fisomparana araka izany ny Taratasy nataon’ny FMF, hoy ny Filoha. Nampahafantariny fa antony nanaovana ny kianjan’ny BAREA ny fitondran’ny ekipa nasionaly avo ny voninahi-pirenena, ny fampiraisana ny Malagasy, fa indrindra nangatahan’ny mpilalaon’ny Barea manokana mihitsy ny mba hanehoan’izy ireo ny fahaiza-manaony eo anoloan’ny Vahoaka malagasy. Ezaka lehibe, araka izany, ny fahavitan’ny kianja kanefa izao misy mamingana izao.
Tsy fanomezana hasina ny mpilalao
Antony tsy nampandroso ny baolina kitra hatrizay ny fifamingampinganana sy ny tsy firaisankina, raha ny nolazain’ny Filoha. Nambarany am-pahibemaso ihany koa ny tsy fanomezana hasina ny mpilalao malagasy ataon’ny federasionina. Sahirana ireo mpilalao amin’ny fitaterana an’habakabaka. Tsy mandray an-tanana ny fividianana ny tapakila ny Federasionina ary alefa amin’ny « classe économique » hatrany ireo mpilalao amin’ny sidina lavitra. Tokony homena fotoana hakana aina tsara nefa izy ireo, raha ny fanazavana hatrany. Hijery akaiky ity raharaha ity ny Filoha, araka ny teniny omaly, ary tsy maintsy hisy tohiny izany.
Teknisian’ny CAF
Nanambaran’ny ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Mamod’Ali Hawel, omaly tetsy Mahamasina tamin’ny mpanao gazety fa hisy ny Inspecteur avy any amin’ny CAF ho avy anio 31 Aogositra hijery sy hanome ny fankatoavana amin’ny maha ara-dalana ny kianja Barea taorian’ny taratasy nalefan’ny tomponandraikitra Malagasy ny Sabotsy lasa teo. Noho izany dia tsy tokony hisy olona mifamezivezy eny amin’ny manodidina ny kianja anio ary hanaja ny fahadiovana sy ny filaminana satria ho voakasiky ny fizahana ataon’ireo teknisian’ny CAF avokoa ny ao anatiny sy ivelan’ny kianja.
Nigadona teny Ivato omaly
Tsara ho fantatra fa nigadona teny amin’ny BANI Ivato niaraka tamin’ny ekipan’ny Barea ny Filoha Andry Rajoelina sy ny delegasionina niaraka taminy omaly 30 septambra 2021. Nanao tatitra fohy momba ny diany avy any Paris- Frantsa ny herinandro lasa teo ny Filohampirenena teo am-pahatongavana. Nisafidy ny hiara-hody manokana tamin’ny ekipan’ny BAREA, ny mpanazatra sy ny ekipa teknika ny Filoha ho fanohanana sy firaisankina sahady amin’izy ireo izay hiatrika ny Lalao fifanintsanana hiatrehana ny tompondaka manerantany amin’ny Baolina kitra ho an’ny taona 2022. Hifanandrina amin’i Madagasikara amin’izany i Bénin izay ho tanterahina ny 02 septembra 2021. Matoky ny ekipa nasionaly ny Filoha fa hamiratra sy handresy. « Grand complet » ihany koa ny ekipa nasionaly ka antenaina fa hanandratra avo ny voninahi-pirenena, araka ny fanazavana.
Ny lalaon’ny Barea, noho izany, no tsy afaka atrehin’ny mpijery. Saingy ny fitokanana kosa dia nahemotra amin’ny 04 Septambra 2021, ka ho azon’ny rehetra atrehina hatrany.



