PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FISONDROTAN’NY KARAMAN’NY MPIASA: 250 000Ar ny farany ambany ho an’ny tsy miankina, nahazo 5-25% ny Mpiasam-panjakana

Taorian’ny fifampidinihana teo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, dia tapaka fa hakarina ho 250 000 Ariary ny karama farany ambany ho an’ny sehatra tsy miankina. Ny amin’ny sokajin’asa hafa kosa dia ankinina amin’ny orinasa tsirairay. Etsy ankilany, hiakatra 25% ny karama farany ambany ho an’ny mpiasam-panjakana, ary 5% ho an’ny karama farany ambony. Natao izao ho fitsinjovana ny andavanandron’ny tokantrano Malagasy, hoy ny Filoha.

Tao anatin’ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny asa, ny 01 Mey 2022 teo, no nanaovan’ny Filohan’ny Repoblika fanambarana manokana mahakasika ny fiakaran’ny karaman’ny mpiasa malagasy eto Madagasikara, na izany ho an’ny sehatra tsy miankina, na ho an’ny mpiasam-panjakana. Fanapahan-kevitra izay nialohavan’ny fifampidinihana naharitra, indrindra ho an’ny sehatra tsy miankina, araka ny nambaran’ny Filoha. Tapaka taorian’izany fa ampiakarina ho 250.000 ariary ny karama farany ambany ho an’ny sehatra tsy miankina. Ho an’ireo sokajin’asa hafa kosa dia ankinina amin’ny fahafahana sy fahalalahan’ny mpampiasa tsirairay avy ny fampiakarana izany.

Ho an’ny mpiasam-panjakana kosa dia hihatra amin’ny sokajin’asa rehetra ny fisondrotana karama, izay miatomboka amin’ny 25% ho an’ny karama farany ambany, 13% ny eo anelanelany, raha toa ka 5% ho an’ireo sokajin-karama avo indrindra.

Fiakaran’ny vidim-piainana

“Tena tsapako ary fantatro fa mavesatra amintsika vahoaka Malagasy ny fiakaran’ny vidim-piainana noho ireo sedra mafy nifanesy izay niainantsika. Vao niarin-doha kely tao aorian’ny Covid19 isika dia nandalovan’ny rivodoza mahery nifanesy ary ankehitriny dia miatrika indray ny fiantraikan’ny krizy maneran-tany vokatry ny ady any Ukraine”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina, raha nanazava ny anton’ity fanapahan-kevitra ity. Notsindriany fa ny krizy iraisam-pirenena izay misy fiantraikany amin’ny vidim-piainana, dia mampananosarotra ny fanefana ny fandaniana sy ny filan’ny tokantrano iray indrindra ho an’ireo izay mandray ny karama farany ambany. “Amin’ny fotoana toa izao indrindra no ilaina ny fifanampiana sy ny fifampitsinjovana, ary adidiko ny mitady vahaolana hanasoavana ny mpiray tanindrazana », hoy hatrany ny Filoha. Nomarihiny tao anatin’ny lahateny nataony, fa mihatra avy hatrany amin’ity volana Mey ity izany fampiakarana rehetra izany.

Fermer