Songadim-baovaoSosialy

FISOROHANA NY COVID-19: Mitsahatra ireo tsena lehibe isan-kerinandro eto an-drenivohitra

Tafiditra tao anatin’ny fanamafisana ny fepetra hiadiana amin’ny Covid-19 notapahana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly, ny fampitsaharana ireo tsena lehibe isan-kerinandro eto an-drenivohitra mba hisorohana ny fivezivezena be loatra, ka tsy hahafahana mifehy ny fiparitahan’ny valanaretina.

Olona mifanitsa-kitro hatrany no hita amin’ireo tsena lehibe isan-kerinandro eto Antananarivo rehefa tonga ny andron’ny tsena. Lohalaharana amin’izany ny etsy Mahamasina rehefa Alakamisy, toy izany koa ny etsy Andrahavoahangy rehefa Alarobia, ary indrindra ny etsy Isotry rehefa andron’ny Sabotsy. Ankoatra ireo dia mbola misy koa ireo tsena isan-kerinandro izay mahavory olona maro eto an-drenivohitra. Sarotra ny hanajana ireo fepetra ara-pahasalamana amin’ireny toerana ireny, ary tsy azo ihodivirana ny fifampikasohana. Izany indrindra no antony nahatonga ny Filankevitry ny Minisitra nandray fanapahan-kevitra mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina. “Ny tsena lehibe isan-kerinandro eto an-drenivohitra dia mitsahatra mba hisorohana ny fifamezivezena be loatra”, hoy ny fanazavana. Etsy ankilany kosa anefa, ireo tsenam-pokontany dia mitohy mivarotra, saingy ireo olona tokony hiantsena hividy ireo sakafo sy filàna andavanandro ihany no tokony hivoaka ny trano sy hakeny an-tsena, araka ny tapaka hatrany.

Mbola mitohy ny fialan-tsasatry ny paska

Tapaka, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, omaly koa fa mbola mitohy ny fialan-tsasatry ny paska ho an’ny fianarana eny amin’ireo sekoly sy Oniversite manerana ny Nosy. Etsy ankilany, notsindrian’ny Fitondram-panjakana fa ny razana dia tsy afaka mivoaka ny Faritra ho an’ireo Faritra dimy mikatona dia Analamanga, Sava, Boeny, Atsinanana, Nosy Be.

Hisokatra anio ireo “Hotels/Hopitaux” miisa 2

Anisan’ny tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, omaly, koa ny fampitomboana ireo “Centre de traitement Covid-19” (CTC-19) eto Antananarivo, ka anisan’ireo hisokatra anio ny etsy amin’ny EPP/CEG Manarapenitra Soamandrakizay, ireo “Hotels/Hopitaux” miisa 2 etsy amin’ny Andavamamba Live Hotel sy Tsangatsanga Hotel etsy Analakely. Raha tsiahivina dia anisan’ny fepetra noraisin’ny Fanjakana ny fifampiraharahana tamin’ireo trano fandraisam-bahiny eto Antananarivo mba hanampiana isa ireo toerana afaka mandray an-tanana ireo mararin’ny Covid-19 noho ny firongatry ny aretina ankehitriny.

Farany, nampahatsiahy ny Fitondram-panjakana fa tsy andoavam-bola ny fanaovana fitiliana Covid-19 etsy amin’ny HJRA sy etsy amin’ny Village Voara ary maimaim-poana ny fanomezana ny taratasy fanamarihana ny fitiliana. Toy izany koa ny fanaovana “scanner” mahakasika ny Covid-19 eny amin’ireo hopitaly manarapenitra rehetra manerana ny Nosy.

Fermer