Songadim-baovao

Fisorohana ny loza : Notsirihina ara-teknika ireo fiaran’ny minisiteran’ny Rano

Notanterahina omaly tetsy amn’ny Ivon-toerana Fitsarana fiarakodia teny By-pass, ny fitsarana ireo fiaram-panjakana ampiasain’ny minisiteran’ny Rano, ny fahadiovana sy ny fidiovana. Nohamafisina nandritra ny filan-kevitry ny governemanta fa tsy maintsy atao fitsirihina ara-teknika avokoa ireo fiaram-panjakana ampiasain’ny minisitera…

Tonga nanatrika ny fitsirihina tety ny avy amin’ny minisiteran’ny Rano.

Tonga nitondra ireo fiaram-panjakana ampiasainy atao fitsirihana ara-teknika teny amin’ny Ivon-toerana fitsarana fiarakodia teny By-pass Alasora,  ny teo anivon’ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana, omaly.  Natao izany  ho fanatanterahana ny voalazan’ny didim-panjakana laharana faha 71-138, ny 23 marsa 1971, andininy R.124 andalana fahadimy sy ao amin’ny andininy R.260, fizarana fahatelo, izay nohamafisin’ny fanapahana nandritra filan-kevitry ny Governemanta, ny 18 septambra 2019 teo. Tsy maintsy atao fitsirihana ara-teknika avokoa ireo fiaram-panjakana ampiasain’ny minisitera tsirairay, ny departemanta ary ireo Sampandraharaha eo ambany fiahian’ireo minisitera miparitaka manarena ny Nosy. Nohamafisin’ny  Kly Rasambomanana Yvon, Tale eo anivon’ny Foibe Fitsarana fiarakodia, fa « ilaina ny fanaovana fitsirihana ara-teknika ireo fiaram-panjakana ary tsy andoavam-bola  ho fisorohana ny loza vokatry ny tsy fahatomombanana ara-teknika,  indrindra ho fiarovana ny olona mampiasa azy sy ny fananam-panjakana ». Entanina koa ireo minisitera hafa hitondra ny fiaram-panjakana ampiasainy hatao fitsirihana ara-teknika eny amin’ireo Ivon-toerana fitsarana fiarakodia akaiky azy na hifandray mivantana amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia hamaritana ny fotoana ho fanamorana ny fanatanterahana izany.

Takelaby manara-dalàna…

Ampahany amin’ireo fiara nanaovana fitsirihina.

Tsy nohadinoin’ny teo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia koa ny nanentana momba  ireo takelaby famantarana laharana fiarakodia. Araka ny didim-pitondrana laharana faha-1181 tamin’ny 3 aprily 1971, andininy faha 3 – 4, dia milaza fa tsy maintsy misy takelaby famantarana laharana ireo fiarakodia rehetra, apetraka eo aloha sy ao afara. Ho an’ireo moto kosa, dia ao afara ihany. Ny fiarakodia ampiasain’ny rehetra dia tsy maintsy takelaby miloko mainty ny fanambaniny ary misoratra fotsy. Ho an’ny takelaby eo aloha, manana haavo mirefy 100 mm, ary ny habeny 455 mm, 70mm kosa, ny haavon’ireo soratra (marikisa sy litera). Ho an’ny takelaby ao aoriana kosa, dia 110mm ny haavo ary 520mm ny habeny raha andalana iray ihany. 80mm kosa, ny haavon’ireo soratra. Raha an-dalana roa kosa, dia manana haavo 200mm sy habeny 275mm. Tsy tokony hisy soratra hafa ankoatra ireo vondron’isa efatra sy ny marika famantarana ny faritany misy azy ny takelaby.

Fermer