Songadim-baovao
Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana amin’ny RN-1 : Nentanin’ny Zandary avokoa ireo mpampiasa lalana tsy hisetrasetra
Taorian’ny trangam-pifamoivoizana nahafatesana ankizy mpianatra miisa roa, teny Ambatomirahavavy, ny 16 marsa lasa teo. Nidina nanao fanentanana ifotony teny amin’ny lalam-pirenena voalohany ny avy amin’ny Vondron-tobim-pileovan’Itasy. Samy nahazo ny anjarany avokoa na ireo mpitondra fiarabe, ny taksiborosy, ny fiara tsotra, na ny mpitondra môtô. Fanadihadiana…

Manoloana ny trangana lozam-pifamoivoizana nitranga matetika tamin’ny lalam-pirenena voalohany iny, dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Vondron-tobim-pileovan’Itasy, tamin’ny lalam-pirenena voalohany, ho fanentanana ireo mpampiasa iny lalana iny. « Tsapa tato ho ato fa maro ireo lozam-pifamoivoizana nitranga amin’ity lalam-pirenena ity. Raha ny zavatra hita, tsy vitsy ireo tsy manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Ohatra amin’izany, ny fanaovana fisongonana eo am-piakarana sy ny fiolahana. Misy koa ireo mpampiasa lalana no misetrasetra mandeha mafy loatra. Tafiditra ao na ny taksiborosy izany, na ireo fiara vaventy na ireo mpitondra môtô », hoy ny Lietnà Kly Andriamijoro Jean Charles, kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovan’Itasy. Nasongadiny fa izany rehetra rehetra izany no mahatonga ny lozam-pifamoivoizana, amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN-1). Ny zandarimaria eo anivon’ny Faritra Itasy, dia manao hetsika manokana, amin’izao ankatoky ny paka izao. Isorohana ny lozam-pifamoivoizana, dia nentanina avokoa ireo mpampiasa lalana tsy anakanavaka rehetra, mba hahatsapa tena hifehy ny lalànasy ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana. Tokony hampiharina, araka ny tokony ho izy, ny fampianarana natao tany amin’ireny sekoly fakàna fahazoan-dalana mamily fiarakodia ireny.
Famaizana ireo mpandika lalàna…

Tsy niolaka izy nanazava fa misy ireo fiara vaventy, izay tsy manome lalana ireo fiara madinika ireny, izay mampiteraka lozam-pifamoivoizana. Asa nataon’ireo zandary niditra an-tsehatra omaly, teny amin’ny lalam-pirenena ny famaizana ireo fiara na taksiborosy na kamiao, lany « visite technique ». Tsy maintsy omena famaizana tandrify azy ireo tsy manara-dalàna. Ankoatra izay, ireo fiara na môtô mandeha mafy diso tafahoatra, dia misy famaizana tandrify momba izany ary raisin’ny Zandarimaria ny fepetra momba izany.
Mahazo ny famaizana tandrify azy koa ireo taksiborosy, izay sola ny kodiarana. Antony mahatonga ny fiara mivarina any an-kady ny fisian’io kodiarana sola io, rehefa mandeha mafy loatra. Araka izany, dia horaisina ny fepetra manandrify izany. Tsy nohadinoina koa ny nandefa teny fampahatsiahivana momba ny ady amin’ny valanaretina covid-19 ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena. « Rehefa ao anaty taksiborosy, dia tokony ho voahaja ny elanelana, ary tsy maintsy misy « gel désinfectant » ao anatiny. Tsy hadinoina mandrakariva ny fanaovana arotava na ny arovava orona. Anisan’ny savain’ny zandary ny « manifold » amin’ireo taksiborosy. Koa raha tsy manaraka ireo fepetra ireo, dia horaisin’ny Zandarimaria ao anatin’ny faritra Itasy ny fepetra sy ny sazy mifandraika izany. Nentaniny ny olom-pirenena rehetra fa lahitokana ny aina, ka aoka hajaina hatrany ny fepetra rehetra. Hitohy hatrany ny hetsika manokana, mandra-pahavitan’ny Paska, noho ny fivezivezen’ny olona betsaka.
Nandraisana fepetra manokana ny môtô

Hentitra ny avy amin’ny Vondron-tobim-pileovana Itasy manoloana ireo mpitondra môtô mandeha mitsangantsangana any amin’ny Faritra Itasy. « Arahinay zandary maso ireo mpitondra môtô misotro toaka ary dia alainay mihitsy ny fanalahidy tsy ahafahan’ny môtô-n’izy ireo mandeha, isorohana ny loza. Rehefa misava ny toaka, vao omena izany, ny ampitson’io », hoy hatrany ny fanazavana. Taorian’ny lozam-pofamoivoizana nitranga teny Ambatomirahavavy ny talata 16 marsa 2021 izay namoizana ain’olona sy naharatràna ankizy maromaro, dia nandray fepetra avy hatrany ny Foibe fitsarana fiarakodia nandefa teknisianina manampahaizana manokana nidina teny an-toerana nitrangan’ny loza hanao ny fanadihadiana sy fizahana ara-teknika ilay fiara tra-doza.

Araka ny fanadihadiana nataon’ny teknisianina, tsy nahitana olana ara-teknika ilay fiara, fa noho ny fandehanana mafy, dia tsy nahafehy ny familiana ny mpamily raha nifanena tamina fiara iray. Antony nahatonga azy ho tafavoaka ny lalana. Toraka izany koa ny fanampim-panazavana nambaran’ireo manodidina sy ny nanatri-maso teny an-toerana. Tiana ny manamarika fa mbola tsaboina ilay mpamily fa diso ny filazana fa nindaosin’ny fahafatesana izy.




