Songadim-baovao

Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana: Taratasina fiara 406 isa nosintomina, vokatry ny tsy fanarahan-dalàna

Ho fisorohana ny lozam-piarakodia nisesisesy tao ho ao, dia nisy ny fanatontosana hetsika fitsirihina tampoka an-dalambe notanterahin’ny Foibe fitsarana fiarakodia, nanomboka ny 13 hatramin’ny 22 oktobra lasa teo, teto Antananarivo Renivohitra sy ireo lalam-pirenena mivoaka mihazo ny faritany. 2718 ireo fiara voasava nandritra ny hetsika. 406 ireo taratasina fiara nosintomina ka 56 noho ny tsy fisiana na fahalanian’ny paikandro fitsirihana ara-teknika ka naiditra ambalam-pamonjana…

Nanatanteraka hetsika fitsirihana tampoka an-dalambe ny teo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia nanomboka ny 13 hatramin’ny 22 oktobra lasa teo, teto Antananarivo Renivohitra sy ireo lalam-pirenena mivoaka  mihazo ny faritany. 2718 ireo fiara voasava nandritra ny hetsika. 406 ireo taratasina fiara nosintomina ka 56 noho ny tsy fisiana na fahalanian’ny paikandro fitsirihana ara-teknika (défaut et visite technique expirée) ka naiditra ambalam-pamonjana (mis en fourrière). Fiara roa tratra nampiasa hosoka fitsirihana ara-teknika, izay hatolotra tsy ho ela ny Fitsarana ireo tompon’antoka aorian’ny famotorana. 312 tamin’ireo no tsy maintsy natao “Inaptes” noho ny tsy fahatomombanana ara-teknika ka 44 ireo fiara mamoaka setroka diso tafahoatra manimba ny tontolo iainana. 24 no fiara ratsy endrika ivelany sy anatiny ka tsy maintsy hatsaraina. 64 ireo fiara nasaina nanala teo ho eo ny « pellicules » matroka manarona ny fitaratra, ary 34 ireo nampiasa jiro « barre led » ka nasaina nanala izany avy hatrany. Dimy  ireo fiara tratra nampiasa ireo “attestation de déclaration de perte” ; fiaram-panjakana 60 nosavaina, ka ny 28 tamin’ireo tsy mbola nahavita ny fitsirihana ara-teknika mihitsy.

Nisy  ny fanentanana ho an’ny mpampiasa fiara

Nisy ny fanentanana ireo mpamily nandritra ny fisavana, ny amin’ny tsy tokony hampiasana ireny jiro « led » ireny sy ilay antsoina hoe « vitres fumées », izay hanaovana antso avo ho an’ny mpitandro filaminana (Zandary sy Polisy) manao fisavana anaty sakana. Eo koa ny tokony hitandreman’ny tsirairay amin’ny familiana satria “Lahitokana ny aina”. Tsara ny mampahafantatra fa ny 85% ny loza niseho, vokatry ny tsy fitandremana avy amin’ny mpampiasa lalana,  indrindra ny mpamily, raha toa ka 10% no voamarina fa vokatry ny tsy fahatomombanana ara-teknika ary ny 5% kosa, vokatry ny haratsian’ny lalana. Ny hetsika no tapitra fa ny fitsirihana tampoka eny an-dalambe, mitohy hatrany manerana an’i Madagasikara ho fisorohana ireo trangana lozam-pifamoivoizana nateti-piseho tato ho ato. Entanina koa ny rehetra hitondra ny fiarany eny amin’ireo Ivon-toerana fitsarana fiarakodia akaiky azy hanao fitsirihana ara-teknika ho antoky ny fiara ary ny fikojakojana mandrakariva ny fiara, hisorohana ny loza tampoka.

Fermer