SamihafaSongadim-baovaoSosialy

FISOTROANA RANO MALOTO: Olona roa maty, am-polony maro mandoa sy mivalana

Taitra avokoa ny rehetra nahita ny fampitam-baovao niainga avy tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy afakomaly, izay nilaza ny fisiana valanaretina tsy voafaritra mazava, mandripaka olona ao amin’ny fokontany Bekopiky, Kaominina Ambanivohitra Andalatanosy, Distrikan’Ambovombe, Faritra Androy. Araka ny fanazavana, mandoa sy mivalana ny fisehon’ny aretina, ka misy mandeha ra mihitsy ny fivalanana ho an’ny marary sasany. Rehefa nanontaniana ny talem-paritry ny Fahasalamambahoaka any Androy, ny dokotera Rabearinjaka Jimmy Cauchy, dia nanazava fa aretikibo avy amin’ny fisotroana rano riaka na ireny ranonorana miandrona eny rehetra eny ireny no nahatonga ny aretina. Izy izay nanazava fa nisy orana nilatsaka tany amin’ity kaominina ity tamin’ny herinandro teo. Nisotro ireny ranonorana ireny ny ankamaroan’ny olona, hoy izy, ka antony mampandoa sy mivalana azy ireo. Nomarihiny kosa anefa fa tsy mampafana hoditra ity aretikibo ity. Araka ny fanampim-panazavana hatrany, olon-dehibe manodidina ny 30 taona eo eo no tena iharan’ny aretina, raha toa kosa ka tsy dia mahazo ny zaza latsaky ny dimy taona loatra izany.

Olona miisa 23 no voa amn’ny fokontany Bekopiky Morahariva, araka ny nambaran’ny talem-paritry ny fahasalamambahoaka any an-toerana. 10 kosa no ao amin’ny fokotany Bekopiky atsimo, ary  8 ny ao Bekopiky avaratra. Tsara ho fantatra anefa fa efa nisy olona roa maty, 50 taona sy 15 taona, tratran ity aretina ity. Teo anatrehan’izany, efa nandefa ny mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny CSB II Andalatanosy ny talem-paritry ny fahasalamambahoaka any an-toerana. Efa nisy ny fitondrana fanafody sy fandraisana an-tanana ireo olona voa. Efa nidina tany koa ny talem-paritry ny fahasalamambahoaka any an-toerana. Ity farany izay nanamafy fa misy paompin-drano any amin’io toerana io. Fa noho ny olana ara-bola dia tsy voavidin’ny mponina ny rano, izay tsy latsaky ny 50 ariary vao mahazo. Amin’izao fotoana izao dia efa mandeha ny fanentanana ireo mponina hanatona avy hatrany CSB II vantany vao misy tsy salamalama. Nentanina koa ny mponina amin’ny fampangotrahana rano mialohan’ny hisotroana azy. Ary koa, tokony ho mailo hatramin’ny datin’ny entana vidiana eny an-tsena.

Fermer