PolitikaSongadim-baovao

FITADIAVAN-TSEZA SY FAHEFANA: Miseho sehatra indray ireo dinôzoro politika

Araka ny loharanom-baovao mari-pototra dia misy andiana mpanao politika maromaro mikononkonona hetsika hanoherana ny Fitondrana ankehitriny, ary hananganana fiaraha-mitantana eto amin’ny Firenena. Ny Filohan’ny Repoblika am-perinasa ankehitriny mihitsy no kendrena voalohany amin’izany, ka hatao izay fomba handrombahana fahefana amin’ny fomba tsy ara-dalàna.

Mpanao politika manodidina ny 70 teo ho eo no fantatra fa toa hoe nivory teny amin’ny tranon’ingahy Voninahitsy Jean Eugène, teny Ambohipo ny andron’ny 24 Janoary 2023 lasa eo, araka ny loharanom-baovao mari-pototra. Raha ny fantatra, dia mivondrona ao anatin’ilay Vovonana LERA ireto mpanao politika ireto, izay olona efa sokajiana ho dinôzoro politika eto amin’ny tany sy ny firenena, satria olona efa nitondra teo amin’ny fitondrana tany aloha, sy Solombavambahoaka am-perinasa ankehitriny no maro. Tafiditra ao anatin’ireo mpanao politika efa nitazona andraikitra teto amin’ny Firenena ohatra andriamatoa Ny Hasina Andriamananjato, Reboza Julien izay efa Minisitra teo aloha, Manantsoa Victor. Misy mihitsy aza moa Filoham-panjakana teo aloha, toa an-ndry Rivo Rakotovao, teo koa ireo Solombavambahoaka am-perinasa ankehitriny, toa an’i Me Hanitra Razafimanantsoa, Fidèle  Razarapiera, Voninahitsy Jean Eugène, Rodin Rakotomanjato, Johasy Eléonore. Ankoatra ireo, dia isan’ireo fantatra fa nivory teny Ambohipo afak’omaly koa i Désiré Rasambany, izay efa Tale-ana rantsamangaikana Minisitera teo aloha.

Nahavita inona teto amin’ny firenena?

Ny loharanom-baovao mari-pototra no nahalalana fa miketrika ny hametrahana Governemantan’ny Fiaraha-mitantana ireto mpanao politika politisianina ireto. Izany hoe, mikononkonona ny handravana ny Governemanta am-perinasa ankehitriny, ka mitetika ny hidirana ao anaty fitantanana. Araka ireo voatanisa eo ambony ireo anefa dia olona mitazona, sy/na efa nitazona andraikitra ambony teto amin’ny firenena daholo ireo miketriketrika hetsika ireo. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe: Inona no zava-bitan’izy ireo nandritra ny fotoana naha Minisitra sy/na mpitantana azy ireo? Ketrehana mafy anefa ankehitriny ny hahazoana fahefana. Ny tanjona iombonan’ireo mpanao politika voatanisa ireo, dia ny fankahalana ny Filoha ankehitriny, araka ny fantatra.

Ny angom-baovao natao ihany koa no nahalalana fa mikasa hanao fanambarana goavana ity vovonana vao natsangana ity anio alakamisy. Andrasana ny tohin’ny raharaha… Ny azo antoka, dia tena misy firaisana tendro eo amin’ireo mpanao politika avy amin’ny fanoherana ireo. Mampametra-panotaniana ihany ny hiketrehana seza sy fahefana amin’izao vanim-potoana izao, kanefa ny fifidianana aza efa afaka volana vitsivitsy. Tsy andry mihitsy ve ny fifidianana? Sa ilay hiroso amin’ny fifidianana mihitsy no mampatahotra an’ireo vovonan’ny mpanohitra ireo? Raha ny fifandanjan-kery ara-politika ankehitriny tokoa mantsy no jerena dia hita ho mirona kokoa amin’ny Fitondrana ankehitriny ny olom-pirenena sy ny mpanara-baovao manerana ny Nosy.

Randriah.

Fermer