Fanadihadiana ManokanaSosialy

FITADIAVANA ASA: Tsy ampy ny fahafantaran’ny tanora ireo sehatr’asa mahaliana azy

Olana iray lehibe sedrain’ireo tanora eto amintsika ny tsy fananan’asa kanefa maro izy ireo no manam-pahaizana sy diplaoma. Ny tsy fahafantarana ny sehatr’asa mahaliana azy ireo no isan’ny antony iray mampitarazoka ny fahazoan’asa, raha ny fanazavana. Ho famaliana izay filàna eo amin’ny tolotra sy ny tinadin’ny asa izay indrindra no nahatonga ny hetsika karakaraina eny Antaninarenina amin’izao fotoana.

Sehatr’asa manomboka mivoatra ankehitriny ny mifandraika amin’ny tontolon’ny informatika sy ny teknolojia vaovao, hoy ny fanazavana avy amina tompon’andraikitry ny orinasa iray. Tanora iray avy any Fianarantsoa saingy mipetraka mandranto fianarana eto Antananarivo i Douglas. Taona fahefatra eny amin’ny ambaratonga ambony izy ankehitriny ary mandalina io tontolon’ny informatika sy ny “intelligence artificielle” io. An-dalam-pitadiavana fanazaran’asa amin’izany ihany koa ny tenany, mieritreritra ny handefa fangatahana fanazaran’asa any amin’ny fadintseranana. Nambaran’i Douglas fa efa maro ankehitriny ireo sehatr’asa mitodika any amin’io informatika io, mitaha amin’ny zava-misy teo aloha, “satria efa tsy afa-miala lavitra amin’izany intsony isika”, hoy izy. Mbola malalaka ihany koa ny tsenan’io sehatr’asa iray io satria azo lazaina ho mbola vitsy ireo tanora tena mahafehy izany. Araka izany, fanehoan-kevitr’i Douglas ny hoe tsy sarotra loatra ny mitady asa eo amin’ny sehatry ny informatika sy ny “intelligence artificielle” saingy mila mampiseho fahaizana, fahaiza-manao, sy mahay mandresy lahatra ny olona iray hiditra eo amin’io tontolo io.
Ankilany, raha ny zava-misy ankehitriny dia sehatr’asa efa tafapetraka sy mampiodina ny toekarena eto amintsika amin’izao fotoana ny any amin’ireny “call center” ireny. Manome asa ho ana tanora maro eto amintsika izy ireny satria mahatratra aman’arivony ny olona ampiasain’ny toeram-piasana iray. Maro rahateo ihany koa ireo tanora voasarika amin’ny fanaovana io asa io. Iray amin’izy ireny i Lucie izay mieritreritra ny hanamafy fahaiza-manao any amin’ny sehatr’asan’ny “call center” no sady hamita fianarana ihany koa. Raha ny fanazavany, tsy araka ny noeritreretana azy fa sarotsarotra kokoa ny mitady asa any amin’ireo “call center” raha toa ka olona mbola hanohy fianarana toa azy na mikasa ny hanao vadin’asa. Anton’izay fanehoan-kevitr’i Lucie izay ny hoe maro kokoa ny fepetra apetrak’ireo mpampiasa, indrindra eo amin’ny lafiny fananana fahaiza-manao, fifehezana fotoana ka tsy hahafahana manohy fianarana na manao vadin’asa hafa intsony, na ny hahafehezana fitenim-pirenena hafa, iray na maromaro. Vokany, efa herinandro teo izao i Lucie no nitady asa teny amin’ireny “call center” ireny. Tsy mbola nisy namerina niantso azy ireo mpampiasa hatreto.

Olana ny tsy fahafantarana

Toa an’i Lucie, maro ireo olona manao fangatahan’asa amina orinasa iray kanefa tsy mahafantatra tsara akory ny mombamomba io sehatr’asa mahaliana azy io. Vokany, tsy mifanojo ny filàna eo amin’ireo olona mitady asa sy mpampiasa ka matetika no tsy misy tohiny intsony ny fangatahan’asa ataon’ireo mitady izany. Io tsy fahafantarana ny sehatr’asa mahaliana azy io matetika no olana ho an’ireo olona mitady asa ary mahatonga azy ireo tsy ho voaray.
Ho an’ny “call center” izay sehatr’asa miroborobo eto amintsika, ohatra, nohazavain’i Rindra tompon’andraikitra amina orinasa iray fa isan’ny fepetra hapetrak’izy ireo hahafahana mandray mpiasa vaovao ny fahaizana teny vahiny, iray na maromaro. Notsindriany manokana io fahaizana teny vahiny io fa olona afaka miresaka, mamaly ny fanontanian’ny mpanjifa sy olona afaka manome soson-kevitra no ilain’izy ireo fa tsy olona mahazo fotsiny ihany ny resaka hifanakalozana. Eo ihany koa ny hoe mila olona afaka manome ny fotoany 24 ora amin’ny 24 ora ho an’ny asany. Maro, hoy ny fanazavana, ireo olona tsy mahafantatra tsara akory ny asa eny amin’ireny “call center” ireny ka mihevitra fa asa an-tselika sy vitavita ho azy no atao. Mila manao fikarohana sy mandalina ny sehatr’asa mahaliana azy, noho izany, ny olona iray mialoha ny hanaovana fangatahan’asa.

Fanatanterahana hetsika fanakaikezana

Raha ny hevitr’ireo olona mitady asa, matetika izy ireo no voahilika sy tsy mahazo valiny mahafapo rehefa manatona ireny orinasa ireny ka antony iray mahatonga azy ireo tsy hahafantatra ny sehatr’asa mahaliana azy io. Isan’ny hetsika natao hamaliana io filàna amin’ny tontolon’ny asa io, araka izany,  no tanterahana eny amin’ny zaridainan’Anteninarenina mandritra ny hateloana. Nanomboka omaly ary hifarana rahampitso ny hetsika “salon de l’emploi et de la formation des métiers”. Araka ny fanzavan’i Eric Randrinarison mpikarakara dia tanjon’io hetsika io ny hahafahan’ireo olona manana olana amin’ny fitadiavan’asa manatona ny orinasa mahaliana azy ka mahafantatra bebe kokoa ny sehatr’asa safidiany. Olana tsikaritr’ireo mpikarakara mantsy ny hoe maro ireo tanora manana fahasarotana amin’ny fahazoana asa kanefa manana diplaoma. Tsy mahafantatra akory ny lalana aleha sy ny sehatr’asa safidiany izy ireo. Tombony amin’ny fanatanterahana io hetsika io ny hoe tsy mivezivezy ireo olona te hahafantatra sehatr’asa fa toerana iray ihany dia hahitan’izy ireo orinasa maromaro. Raha toa ka mifanojo ny tolotra sy ny tinady eo amin’ireo olona mitady asa sy ny mpampiasa dia azo antoka ny fandraisana mpiasa mandritra ny hetsika. Raha tsy mitovy kosa ny filàna dia hahafahan’ireo olona mitady asa manitsy ny fahaiza-manaony ny fahafantarana sehatr’asa iray mandritra io hetsika io. Orinasa sy sekoly mpampiofana miisa 25 eo, araka izany, no hita eny Antaninarenina mandritra ny hetsika. Mpitsidika manodidina ny 5 000 kosa no andrasana mandritra ireo 3 andron’ny hetsika. Maro ireo efa tonga nitsidika ho an’ny andro voalohany omaly.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer