Songadim-baovaoToekarena
FITAKIANA HETRA 0,5% – “MOBILE MONEY”: Nampiaka-peo ireo orinasam-pifandraisana telo tonta
Taorian’ny fanambarana an-gazety nataon’ny Foibem-pitondrana ankapobeny momba ny Hetra (DGI) ny 14 novambra mahakasika ny fakana hetra 0,5% amin’ny fifanakalozana ara-bola (transaction) maherin’ny 150 000 Ariary, dia nanao fanambarana tsy fankasitrahana izany ireo orinasam-pifandraisana miisa telo eto Madagasikara omaly, ahitana ny Telma Madagascar, Orange Madagascar, ary ny Airtel Madagascar.
Nambaran’izy ireo fa hampitombo ny saran’ny tolotra izay tsy ho zakan’ny mpanjifa ny fangalana io hetra io. Ary izany dia hisy akony amin’ny vidin’entana andavanandro izay tsy azo ihodivirana koa ny fiakarany. Ankoatra izay, hisy fiantraikany avy hatrany ary haharitra, eo amin’ny isan’ny mpampiasa mobile money, izay hihena 30% izany ary hihena hatramin’ny 60% ao anatin’ny enim-bolana koa ny sandan’ny “transacton”. Tsy hihoatra ny 50 Miliara Ariary akory araka izany ny vola ho azon’ny fanjakana amin’ny taona 2025, tarehimarika mifanalavitra amin’ilay 143 Miliara Ariary napetraka ho tratrarina.
Hisy voka-dratsy eo amin’ny ireo mpanao cash point miisa 164 000 izay mivelona amin’izany koa ity Fakàna hetra ity. Izy ireo izay mamelona olona manodidina ny 1 tapitrisa manerana ny Nosy.
Takin’izy ireo araka izany ny hiverenan’ny fanjakana amin’izao fanapahan-kevitra izao. Ary takiany ihany koa ny hisian’ny fiaraha-midinika amin’ireo mpiara-miombona antoka toa an’ny EME, ny ekipa eo anivon’ny DGI ary ny Banky foiben’i Madagasikara, hitadiavana vahaolana hafa, mifanaraka amin’ny tanjona ara-toekarena sy sosialy ho an’ny firenena.




