PolitikaSongadim-baovao

FITAKIANA IREO NOSY MALAGASY: Manamafy ny fanohanany an’i Madagasikara ny SADC

Tsy nangina araka ny resaka iniana aely amin’izao fotoana ny fitakiana ireo Nosy Malagasy fa mitohy hatrany. Mbola nohamafisina indray tamin’ny Filankevitry ny Minisitry ny SADC ny zoma lasa teo. Ity vondrona ity izay nanamafy hatrany koa ny fanohanany antsika Malagasy amin’izany fitakiana izany.

Anisany tao anaty lahadinika nandritra ny Filankevitry ny Minisitry ny SADC ny mahakasika ireo Nosy Malagasy, ahitana ny Nosy Sambatra, ny nosy Kely, ny nosy Bedimaky, ary ny nosy Ampela. Nivoitra nandritra ity fihaonana natao ampitain-davitra ity ny fanamafisan’ny SADC ny fanohanana an’i Madagasikara amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo ho antsika Malagasy. Fitakiana  izay sady ho fampiharana ihany koa ireo hevitra tapaka nanodidina ireo Nosy ireo, isan’izany ny tapaky ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana, 34/91, ny 12 Desambra 1979. Ity farany izay niantso ny Governemanta frantsay hiditra amin’ny fifampiraharahana amin’ny Governemanta malagasy amin’ny famerenana indray ireo nosy efatra (4), izay an’ny Malagasy, saingy nalaina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna kosa, nandritra ny fotoana nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena.

Lahadinika samihafa

Tsiahivina fa efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny Fanjakana Frantsay mahakasika ireo Nosy malagasy ireo ny taona 2019. Tokony ho nitohy izany ny taona 2020 saingy tsy tontosa noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19, tsy teto an-toerana ihany fa naneran-tany.

Ankoatra ny resaka momba ny Nosy Malagasy, anisany lahadinika nandritra ity Filankevitry ny Minisitra ao amin’ny SADC ity koa ny momba ny Covid-19 aty Afrika, ny drafi-pampandrosoana ho an’I Afrika ny taona 2020 ka hatramin’ny 2030, ny fitantanana ireo loza voajanahary, ny fifanankalozana ara-barotra aty amin’ny Kaontinanta afrikanina sy ny fifanarahana telo tonta amin’ny fifanankalozana ara-barotra (COMESA- EAC –SADC). Marihana fa nitarika ny delegasiona malagasy tamin’ity fihaonana ity ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Fizahantany ary ny Famatarana ny toetrandro, ary ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola.

Fermer