Songadim-baovaoSosialy

FITAKIANA NITERAKA SAVOROVORO: Mpianatra valo nosamborin’ny mpitandro filaminana teny Ankatso

Fitakiana ny hitohizan’ny fampianarana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo manoloana ny fitokonan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra no nataon’ireo mpianatra omaly teny Ankatso. Mifanindran-dalana amin’izany ihany koa ny fitakiana fampiakarana 100% ny vatsimpianarana izay nambaran’izy ireo fa tsy mahavita mamaly ny filan’ny mpianatra eny Ankatso intsony. Tsy fitakiana tsotra anefa no nisy teny an-toerana raha ny zava-nisy omaly fa nisy fanapahan-dalana sy fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, ary koa, fandranitana mpitandro filaminana izay tonga teny an-toerana. Mazava ho azy, raikitra ny savorovoro satria niditra an-tsehatra nanaparitaka ireo mpitokona ny Mpitandro filaminana. Vokany, mpianatra miisa valo no voatery nosamborina ary hanaovana fanadihadiana. Izy ireo izay isan’ireo nanao tora-bato tamin’ireo mpitandro filaminana, izay nisy naratra mihitsy.

Teo anatrehan’izany, manambana ny mbola hanohy ny fitokonany ireo mpianatra mandrapivoaka ireo namany. Etsy ankilany, isan’ny niteraka adihevitra teny an-toerana ny nahafahan’ny mpitandro filaminana niditra tao amin’ny faritry ny oniversite. Araka ny fanazavan’ny Kaomandin’ny zandarimaria eto Analamanga, dia efa nesorin’ny Filohan’ny Oniversite io “franchise universitaire” io mba nahafahan’ny mpitandro filaminana nandray andraikitra.

Fermer