Songadim-baovaoSosialy

FITANDROANA FILAMINANA – POLISY : Nitombo 80 ireo kaomisera sy ofisie hiasa eny anivon’ny vahoaka

Notontosaina ny sabotsy teo teny amin'ny Toby Inspecteur Général de Police Amady Augustin, Sekolim-pirenena ambonin'ny Polisy (ENSP) eny Mamory Ivato ny lanonana ara-panjakana namoahana tamin'ny fomba ofisialy ireo manamboninahitra "Commissaires de Police " miisa 30 mianadahy, sy "Officiers de Police" miisa 50 mianadahy, andiany "MANAMPI".

« Zava-dehibe eto amin’ny firenena ny fananana Mpitandro filaminana voaofana sy manana fahendrena, ary mametraka ho ambony toerana hatrany ny fitiavan-tanindrazana amin’ny fanompoana sy ny fiarovana ny vahoaka !». Ampahany tamin’ny lahatenin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian, nandritra ny famoahana ny andiany « MANAMPI » ao amin’ny Sekolim-pirenena ambony an’ny Polisim-pirenena (ENSP) ny sabotsy 14 desambra 2024 lasa teo, teny Ivato io. Nomarihan’ny Praiminisitra hatrany, fa Polisim-pirenena manakaiky ny fiarahamonina, miaro sy manampy ny vahoaka, ary andry iankinan’ny filaminana sy fandriam-pahalemana no ilain’izao vanim-potoana izao. Izany no tanjona apetraka ho fanamby lehibe, hoy izy. Notsipihiny mazava, fa manatsara hatrany ny fitantanana, araka ny andry ny andry fahatelo amin’ireo telo lehibe napetraky ny Filohan’ny Repoblika, anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, ny Fitondram-panjakana. Araka izany, tsy maintsy miroso hatrany ireo tomponandraikitra amin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny fomba fiasa, hiaina ao anatin’ny Firenena tan-dalàna sy miady hatrany amin’ny kolikoly, satria miankina amin’ny tsirairay ny fampandrosoana sy ny hoavin’i Madagasikara.

Manao laharam-pahamehana amin’ny fampitomboana ny Mpitandro filaminana hisahana ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, araka izany, ny Fitondram-panjakana, mba ho fampandriana fahalemana maharitra an-dRenivohitra sy ambanivohitra. Anatin’ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fanofanana izany, ary amin’ny alalan’ny fanamafisana traikefa sy ny fampitaovana azy ireny. Nisy araka izany, famoahana tamin’ny fomba ofisialy manamboninahitra « Commissaires de Police » miisa 30 mianadahy, sy « Officiers de Police » miisa 50 mianadahy avy amin’ny andiany « MANAMPI ». Ireto farany, izay niofana nandritra ny 02 taona, nialoavan’ny fanofanana fototra (formation de base) nandritra ny volana maromaro, ary nivoahan’ireto 80 mianadahy nandritra fiofanana ara-pampianarana sy fianarana arak’asa. Ankoatr’io famoahana Manamboninahitra Polisim-pirenena teny amin’ny ENSP Ivato io, dia nisy lanonana roa sosona ihany koa teny an-toerana, dia ny famindram-pibaikoana teo amin’ny Talen’ny ENSP teo aloha sy ny Tale vaovao, ny Commissaire Divisionnaire de Police Ratsimba Andrianina Brice. Farany, ny fitokanana ireo fotodrafitrasa miisa 02 vaovao, dia ny tranon’ny mpianatra sy ny “Laboratoire médico-légal numérique” izay hanampy bebe kokoa amin’ny fanadihadihana tanterahin’ny eo anivon’ny Polisimpirenena. Fiarahabana sy fitsofan-drano tamin’ny anaran’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, no natolotry ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny am-panombohan’ny fandraisam-pitenenany ho an’ireto andiany vao nivoaka teo anivon’ny ENSP ireto. Tonga nanome voninahitra izany lanonana izany koa, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala, sy ireo mpikambana sasan-tsasany ao amin’ny Governemanta, niaraka tamin’ireo olom-boatendry sy olom-boafidy isan-tsokajiny, ary ireo tompon’andraikitra ambony maro sivily sy miaramila.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer