PolitikaSongadim-baovao

FITANDROANA NY FILAMINAM-BAHOAKA: Mila fahazoan-dalana ny hetsika politika, fampilazana mialoha ho an’ny fampielezan-kevitra

Eo anatrehan’ny tranga nisiana fifandonana nisesisesy tato ho ato teny an-kianja, eo amin’ireo samy mpanara-dia kandidà ho Filoham-pirenena, dia nisy fepetra noraisin’ny teo anivon’ny Prefektioran’Antananarivo. Voafaritra tao anatin’izany fa ho fampiharan-dalàna dia tsy maintsy hahazoana alalana mialoha ny hetsika politika iray vao azo tanterahina, ary izany dia tsy maintsy anaty toerana mifefy. Ny fampielezan-kevitra kosa dia fampahafantarana mialoha fotsiny no ataon’ny Kandidà iray hanao hetsika.  

Nisy ny taratasy navoakan’ny Prefen’Antananarivo omaly ho an’ireo Vondron’ny kandidà 11 mahakasika ny hetsika famoriam-bahoaka sy ny hetsika fampielezan-kevitra eto an-drenivohitra. Izany dia noraisina taorian’ny zava-nitranga tetsy Andavamamba, ny talata 17 oktobra 2023 teo, izay nisiana fifandonana teo amin’ireo mpifanandrina politika roa, ka nahafatesana olona iray sy naharatrana olona maromaro. Tao anatin’izay roa herinandro izay dia nisy hatrany ny fandeferana teo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana (Tolérance administrative) ka namelana ireto kandidà ireto nandehandeha eraky ny lalàn’Antananarivo, na dia tsy nahazoana alalana aza izany. Tsikaritra anefa, hoy ny taratasin’ny Prefe, fa efa tena nivaona lavitra ny fanehoan-kevitra manodidina ny zotram-pifidianana no nataon’ireo Vondron’ny Kandidà sy ireo mpanara-dia azy, izay manao herisetra amin’ny mpitandro filaminana, miantso ny vahoaka hitroatra, mandranitra fanavakavahana sy fifankahalana ara-poko, ary fikasihan-tanana sy herisetra amin’ireo olom-pirenena tsy mitovy fomba fijery amin’izy ireo, ankoatra ny fanelingelenana ny fifamoivoizana sy ny asa fiharian’ny mponina eto an-drenivohitra.

Goavana ny fahavoazana teto Antananarivo, vokatr’ity hetsiky ny Kandidà 11 ity, hoy Prefe, raha tsy hilaza afatsy ny zava-niseho tetsy Andavamamba izay namoizana aina. Noho izany, nanapaka ny teo anivon’ny Prefektioran’Antananarivo fa manomboka ny 19 oktobra 2023, ny hetsika rehetra, ivelan’ny fampielezan-kevitra, dia tsy tokony hanelingelina ny filaminam-bahoaka sy ny fifamoivoizana. Mbola mihatra ny voalazan’ny didy hitsivolana laharana faha-60-082 tamin’ny 13 Aogositra 1960 mikasika ny famoriam-bahoaka sy ny fihetsiketsehana an-dalambe, hoy ny Prefe. Tsiahivina fa ny andininy faha-10 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia miantoka ny fahalalahan’ny tsirairay maneho fa io andininy io ihany koa no miresaka ny fetrany. Hoy indrindra ny voalazan’io andininy io “Ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny, ny fahalalahana eo amin’ny
fifandraisana, ny fahalalahana manao gazety, ny fahalalahana hiditra aminà fikambanana na
hanorina fikambanana, ny fahalalahana hivory malalaka, ny fahalalahana mivezivezy, ny
fahalalahana amin’ny fieritreretana sy amin’ny finoana dia samy iantohana ho an’ny rehetra
ary tsy azo ferana raha tsy hoe ho fanajana ny fahalalahana sy ny zon’ny hafa sy noho ny
fahaterena hiaro ny filaminam-bahoaka, ny fahamendrehan’ny firenena ary ny filaminan’ny
Fanjakàna”.

Etsy ankilany, ho an’ny hetsika rehetra tafiditra ao anatin’ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana hotanterahina ny 16 novambra 2023 izao, dia mihatra ny « régime déclaratif » voalazan’ny andininy faha-97 ao amin’ny Lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 11 Mey 2018 momba ny fitondrana ankapobeny ny fitsapakevi-bahoaka sy ny fifidianana. Izany hoe, mampahafantatra ny hetsika fampielezan-kevitra 48ora mialoha fotsiny ny kandidà iray dia afaka manatanteraka izany avy hatrany, tsy mila mangataka fahazoan-dalàna. Marihina fa ny diabe amin’ny fampielezan-kevitra dia tsy tokony hijanona fa mandeha hatrany mba hiantohana ny fahalalahan’ny fifamezivezen’ny mpampiasa lalana.   

Notsiahivin’ny Prefe fa nanao fanekena ny hanaja ny Lalàmpanorenana ireo olona voaray ho Kandidà Filoham-pirenena ireo. Dikany, tomponandraikitra amin’ny mety ho fihoaram-pefy sy ny herisetra ary korontana ateraky ny hetsika tsy nahazoana alalana ataony ireo Kandidà 11 ireo.

HETSIKA POLITIKAN’IREO VONDRON’NY KANDIDA 11 : Nanohintohina ny filaminana sy ny fifamoivoizana, voatery naparitaka

Efa voarain’ireo kandidà miisa 11 soa aman-tsara omaly ny taratasy avy any amin’ny Prefe nilaza ireo fepetra manodidina ny famoriam-bahoaka eto Antananarivo. Mbola nanohy ny diaben’izy ireo ihany anefa izy ireo omaly, ary nihazo an’Itaosy. Rehefa tonga teny an-toerana izy ireo, dia tonga teny koa ny mpitandro filaminana nilaza ny tsy fahafahan’izy ireo manatanteraka ny hetsika, noho ny fanajana ny didy aman-dalàna. Nifanaraka avy eo ny roa tonta fa eny Ambohimamory ireo Vondron’ny Kandidà no hamory vahoaka. Rehefa nanao ny diabe fanaon’izy ireo anefa ireo kandidà dia niova tampoka ny lalany fa tsy nankany amin’ny toerana nifarahana. Vokany, tsy maintsy nandray fepetra ny mpitandro filaminana ho fanajana ny lalàna satria sady voatohintohina ny filaminam-bahoaka no voasakana ihany koa ny fifamoivoizan’ny fiara noho ny hetsika. Nisy ny fanapoahana ny baomba mandatsa-dranomaso, ary tonga hatrany amin’ny toerana maro mihitsy aza moa ny fiantraikan’izany. Ity farany izay nanaovan’ny olona fanakianana ny mpitandro filaminana, ny amin’ny tsy tokony hanapoahana ireny baomba ireny ho fitandroana ny fahasalaman‘ny manodidina. Fampanarahan-dalàna anefa no ataon’ny Mpitandro filaminana, fa ny mahagaga dia tsy mba misy miresaka sy manondro ho tomponandraikitra ireo olona minia mandika lalàna midina andalambe. Rehefa tsy misy mantsy ny fidinana andalambe tsy nahazoana alalana dia tsy misy toy izany koa ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomas

FAMPIELEZAN-KEVITRA SY HETSIKA POLITIKA : “Samy hafa”, hoy ny  Ceni

Samy hafa ny fampielezan-kevitra sy ny hetsika politika, hoy ny teo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni). Araka ny voalazan’ny lalàna, dia ao anatin’ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra isika amin’izao fotoana. Amin’ny maha mpikarakara fifidianana ny Ceni, dia ny mahakasika ny fampielezan-kevitra no ananan’izy ireo fanazavana bebe kokoa. Nazavain-dRamatoa Ravaoharinirina Hanitriniaina Liliane. Sekretera mpanatanteraka lefitra eo anivon’ny Ceni fa mila avahana tsara ny hoe hetsika politika sy fampielezan-kevitra. Mahakasika ity farany manokana, araka ny anarany, dia fampielezana hevitra no atao.  Izany hoe, fampahafantarana ny hevitra heverin’ny kandidà fa hahafahany maneho ireo programanasany hitondrany ny firenena, ary handreseny lahatra ny mpifidy mba hifidy azy. Izany hoe, ny andrasana amin’ireo kandidà mirotsaka ho Filoham-pirenena dia ny hampahafantatra amin’ny mpifidy ny momba azy sy ny programanasany, satria zon’ny mpifidy ihany koa no mahalala izany. Marihina fa mandeha hatrany fampielezan-kevitra na mihemotra amin’ny 16 novambra aza ny fifidianana.

Fermer