PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FITANTANAN-DRAHARAHAM-PANJAKANA: Havaozina tanteraka ny rafitra ara-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana

Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra, ny sabotsy teo, ny volavolan-drijan-tenin-dalàna mifehy ny fitantanana ny kitapom-bolam-panjakana. Araka ny tatitra dia efa lany andro ary tsy mifanaraka intsony amin’ny zava-misy ara-toekarena, ara-teknolojia sy ny rafitra ankehitriny didy aman-dalàna (Didy hitsivolana laharana faha-62-075 tamin’ny 29 septambra 1962) mifehy ny fitantanana ny kitapom-bolam-panjakana teo aloha.

Anisan’ny tanjona kendrena amin’ity volavolan-drijan-tenin-dalàna ity ny hanavaozana tanteraka ny rafitra ara-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana, hampanarahana izany amin’ny fenitra sy fomba fanao iraisam-pirenena ary indrindra ny hametrahana rafim-pitantanana mazava hanatsarana ny fandrindrana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpiantsehatra ara-panjakana rehetra.

Nisitraka ny fanohanana ara-teknika avy amin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) ny famolavolana ity volavolan-drijan-tenin-dalàna ity, ary nisy ny fifampidinihana tamin’ireo sampandraharaha lehibe eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Banky Foiben’i Madagasikara, ary ny Fitsarana manokana momba ny kaontimpanjakana (cour des comptes). Ankoatra izany dia anisan’ireo fepetra takiana hahafahana misitraka ny famatsiam-bola ao anatin’ny fandaharan’asa FEC sy FRD miaraka amin’ny FMI ho an’ny taona 2025 ihany koa ity volavolan-drijan-tenin-dalàna ity.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer