PolitikaSongadim-baovao
FITANTANAN-DRAHARAHAM-PANJAKANA: Mbola hisy ve ny fanovana Governora ?
Nambara ombieny ombieny fa isan’ireo olom-boatendry hanaovana tombana ireo Governora napetraka hitantana ireo Faritra 23 eto amintsika. Hatreto, hatramin’ny fotoana nanendrena ireo Governora am-perinasa ankehitriny, tsy mbola nisy ny fanovana natao. Nisy ireo nesorina tamin’ny toerana, noho ny fanendrena azy ireo teo anivon’ny Governemanta. Saingy tsy mbola nisy kosa fanesorana na fanoloana vokatry ny fanombanana ny asa vita.
Isan’ireo voaresaka nandritra ny fihaonana teo amin’ny Filoham-pirenena sy ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, ny 07 Janoary 2022, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny mahakasika ny fanaovana tombana ireo Minisitra sy Governora, sy ny mahakasika ny fanovana ireo izay hita fa tsy mahomby amin’ny toerana nametrahana azy. Nahitsy ny Filoha nilaza fa mila ovaina ny fomba fiasa. Mila olona mitondra vahaolana, sy mamaha olana ny eo anivon’ny Fitondram-panjakana, hoy izy, tamin’io fotoana io. Napetraky ny Filoha mazava fa izay tsy mahavita dia tsy maintsy ovaina. Isan’izany ny Governora. Nanambara ny tsy maintsy hirosoana amin’ny fanaovana tombana ireo Governora isam-paritra ny tenany tamin’io fotoana io. Notsindriany fa misy ireo tena miasa ary mahazo vokatra. Saingy misy kosa ireo izay tsy hita faritra mazava ny tena zava-bitany hatramin’ny fotoana nanendrena azy ho eo amin’ny toerana. Ireny dia tsy maintsy handraisana fepetra manokana, araka ny nambaran’ny Filoha hatrany.
Tsy maharaka ny dian’ny Filoha
Hatreto, tsy mbola misy io fanovana Governora io. Antony hametrahana ny fanontaniana hoe “mbola hisy ihany ve ny fanovana Governora?”. Taorian’ny fikitihana ny Governemanta farany teo, dia efa nihazakazaka indray io resaka fanovana Governora io tamin’ny sehatra samihafa. Hatramin’izao dia mbola tsy misy tohiny sy akony izany. Etsy ankilany, miha manatona any amin’ny fiafaran’ny fepotoam-piasany ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny. Raha hiverenana ny tatitry ny fitsapan-kevitra nataon’ny ONG Ivorary sy ny ONG Tolotsoa farany teo, dia nivoitra fa misy ireo tomponandraikitra tsy maharaka ny hafainganam-pandehan’ny Filoha. Tranga izay mampikatso ny fanatanterahana ireo Velirano sasany nataon’ny Filoha. Tsy voatery any amin’ny Minisitra ihany anefa no tompon’antoka amin’ny tsy fahatontosan’izany, fa tsy afa-miala koa ireo Governora isam-paritra izay tomponandraikitra voalohany any amin’ny Faritra iadidiany avy.
Mandringa ny fanatanterahana fotodrafitrasa
Etsy ankilany, ankoatra io tsy fahavitana ny iraka nampanaovina azy io, misy koa Governora manaratsy endrika ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fomba fiasa asehony eny anivon’ny Faritra iandraiketany. Raha tsy hilaza afa-tsy ny Governora ao Itasy izay manenjika sy manao tsindry hazo lena ireo Solombavambahoaka ao an-toerana. Araka ny angom-baovao dia efa tena vaky ny ady eo amin’ireo Solombavambahoaka ao Itasy, sy ity Governora ity. Voambara fa mandringa sy mitongilana ny fanatanterahana fotodrafitrasa any amin’ny toerana misy ireo Solombavambahoaka manana olana amin’ny Governora, isan’izany ny ao Miarinarivo sy Soavinandriana. Ny avy amin’ny Antoko Freedom ihany koa dia mbola nanamafy ny tsindry hazo lena mahazo ny olom-boafidin’izy ireo ao amin’ity Faritra ity, na izany Solombavambahoaka, na Ben’ny tanàna, na hafa. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny toe-draharaha…
Tsiahivina fa niisa roa tamin’ireo Governora notendren’ny Filoham-pirenena hatreto no tafiditra eo anivon’ny Governemanta. Isan’izany ny Minisitry ny Asa vaventy ankehitriny, Hatrefindrazana Jerry izay Governoran’Anosy teo aloha. Teo koa ny Governoran’i Sava, Tokely Justin, izay notendrena Minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, nandritra ny fanovana minisitra farany teo.




