PolitikaSongadim-baovao
FITANTANAN-DRAHARAHAM-PANJAKANA : Mizara traikefa amin’ny Governemana malagasy i Emirats Arabes Unis
Mihamafy hatrany ny fifandraisana eo amin'i Madagasikara sy ny Émirats Arabes Unis. Notontosaina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fifampizarana traikefa momba ny fitantanan-draharaham-panjakana eo amin'ny Governemanta Malagasy sy ireo delegasiona mafonja avy amin’ny Governemantan'ny Emirats Arabes Unis.
Modely amin’ny fampandrosoana, indrindra ny fampivoarana haingana ny Emirats Arabes Unis, araka ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina. Porofon’izany ny fanovana tany efitra ho lasa tanàn-dehibe izay isan’ny ivon’ny fifanakalozana ara-toekarena maneran-tany ankehitriny. Zava-dehibe ho an’ireo mpitantana malagasy, noho izany, ny fizarana traikefa sy fomba fiasa mahomby ataon’ireo tomponandraikitra avy any Emirats Arabes Unis, mandritra ny “Forum du Programme d’échanges d’Expériences Gouvernementales (GEEP)”, izay atao eto Madagasikara.
Nolazain’ny Filoham-pirenena fa mila fiaraha-miasa matanjaka amin’i Emirats Arabes Unis isika amin’ny tanjon’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Madagasikara rahateo dia mikendry fampivoarana haingana, sy fiovana mahery vaika na « Transformation » amin’ny sehatra ara-toekarena isan-tsokajiny tahaka ny tontolon’ny fambolena.
Tsy vitan’ny olona iray ny fampandrosoana
Tanjon’ity fihaonana ity ny fampivoarana ny fahaiza-manao sy ny fampivoarana ny andrim-panjakana amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fitantanana, ny fifanakalozana fahalalana, sy traikefa, ary ny fomba fiasa tsara na “bonnes pratiques”. Eo koa ny fifanakalozam-pahaizana momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta mba hampiroborobo ny fahaiza-manaony, hanamafisana ny fahombiazany ary hanatsara ny fahombiazan’ny tolotra ho an’ny vahoaka na “efficacite du service public”. Ary farany dia ny fanavaozana ny governemanta amin’ny alalan’ny fanavaozana ara-teknolojia, ho an’ny fahombiazan’ny tolotra omen’ny fanjakana.
“Tsy maintsy manafaingana sy manatsara ny fomba fiasantsika isika mba hanatrarana ny tanjontsika izay avo dia avo” hoy hatrany ny Filoha Rajoelina. Notsipiany nandritra-na resaka manokana nifanaovany tamin’ireo mandrafitra ny delegasion’ny governemanta an’i Emirats Arabes Unis fa ny fampandrosoana firenena dia ilana “ny teknolojia, ny stratejia, fa indrindra indrindra ny methodologie ahatrarana ireo tanjona apetraka”.
Mihamafy ny fifandraisany
Tsara ho fantatra fa hatramin’ny fiandohan’ny fotoam-pitantanana faharoan’ny Filoha Rajoelina dia mihamafy hatrany ny fifandraisan’i Madagasikara sy ny Emirats Arabes Unis. Porofon’izany ny fanatanterahana ny MOU izay nosoniavin’ny firenena roa tonta nandritra ny “Sommet mondial des gouvernements” izay natao tany Dubai ny volana febroary 2024. Izany fifanarahana izany moa dia mba hahafahana mifampizara traikefa eo amin’ny lafiny fanjakana tsara tantana sy ny fampiasana ireo teknika mahomby indrindra amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana.
“Raha amin’ny lafiny diplaomasia eo amin’ny firenena roa tonta, dia azo lazaina fa efa vokatra goavana izao fandalovan’ny delegasionin’ny emirati izao. Zava-dehibe satria ny fifandraisan’ny samy olona, ny samy tompon’andaikitra aloha dia tena efa goavana amin’ny fananterahana ny diplaomasia roa lafy izany”, hoy hatrany ny Minisitry ny Raharaham-bahiny.
Mahakasika izay fifandraisan’ny samy olona izay, ankoatra ny nanasana azy handray anjara amin’ny Sommet mondial des gouvernement ny volana febroary dia voa-asa manokana na invite d’honneur, hanatria ny Annual Investment Meeting, natao tany Aby Dhabi ny volana mai teo ny filoha Rajoelina Andry. Ny volana septambra dia nanokatra ny sidina Antananarivo – Dubai ny orinasam-pitanterana an’habakabaka Emirates. Ity farany izay vao avy nanapakevitra fa hampitombo ho 5 isan-kerinandro, ny isan’ny sidina mandeha aty Madagasikara noho ny hamaron’ireo mpandeha.
Firenena stratejika i Madagasikara
Vao andro vitsy lasa izay no tonga teto Madagasikara i Mohamed Alabbar, filoha mpanorina ny vondron’orinasa EBBAR, izay isan’ireo lehibe indrindra maneran-tany amin’ny sehatry ny fanorenana trano, ary nanova endrika an’i Dubai. Ity farany izay nanararaotra ny fandalovany teto Madagasikara mba hijerena ny tolotra ara-pizahan-tany eto amintsika, sy ny azo atao anamafisana izany sehatra izany, indrindra eo amin’ny fampiantranoana.
Ny fahatongavan’ny delegasiona avy amin’ny governemantan’i Emirats Arabes Unis eto Madagasikara izao dia manamafy ny zotra mandeha amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ny firenena roa tonta amin’ny lafiny maro, indrindra ny sehatra stratejika tahaka ny angovo azo avaozina, ny fanovana sy fampivoharana ny tontolon’ny fambolena, ny ampandrosoana ny fizahan-tany maharitra, na fanatsarana ny tolotra omen’ny Fanjakana ny vahoaka, sy ny fampiasana ny teknolojia ahatrarana ny tanjona fampandrosoana.
Araka ny nambaran’i Abdulla Nasser Lootah : “I Madagasikara dia iray amin’ireo firenena stratejika indrindra amin’ny fandaharanasa fifanakalozana natomboky ny Emirats Arabes Unis. Ity fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ity dia mikendry ny hisian’ny fifampiresahana mahasoa ho an’ny firenena roa tonta ary entanina mafy isika handray anjara amin’ny fanovana ireo sehatra lehibe amin’ny toekaren’i Madagasikara. Ity forum ity dia sehatra tokana hifampizarana sy hianarana avy amin’ny tsirairay”.
Marihina fa delegasiona mafonja avy amin’ny governemanta an’ny Emirats Arabes Unis (EAU), no mitsidika an’i Madagasikara. Olona 20 no mandrafitra izany delagasiona izany, ary tarihin’i Abdulla Nasser Lootah, Vice-Ministre d’Etat chargé de la Compétitivité et des Échanges.
Ny Fanoratana.



