PolitikaSongadim-baovao
FITANTANANA NY ASAM-PANJAKANA: Birao fitaleavam-paritra sivy hatsangana amin’ity taona ity
Tsy hisy intsony faritra na distrika ho adino amin’ny asa fampandrosoana, araka ny fampanantenan’ny Filoha Andry Rajoelina. Isany mitovy fijery amin’ny fanatanterahana izany vina izany ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy amin’ny fanaovana ireo fitaleavam-paritra maro manerana ny Nosy. Isany vao nametrahana vato fototra ny ao amin’ny Faritra Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny mba hahafahan’ireo mpiara-miasa manatanteraka amin’ny antsakany sy andavany ny andraikitra izay ankinina amin’izy ireo, any amin’ny Faritra indraiketan’izy ireo tsirairay avy. Marihana fa sivy ireo birao fitaleavam-paritra izay hatsangana amin’ity taona ity mba hanatsarana hatrany ny fitantanana ny asam-panjakana, raha ny fampanantenana izay nataon’ny Minisitra tompon’andraikitra.
Fanampiana ho an’ireo zokiolona
Ratsa-mangaikan’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy, ny Cnaps. Raha tonga nanotrona ny Minisitra Ranampy Gisèle tao amin’ny Faritra Anosy ny Asabotsy faha 31 Oktobra 2020 teo ny avy eo anivon’ny « Cnaps » dia nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa homena fanampiana maimaimpoana ary tsy haverina ireo zoky olona izay misotro ronono eo anivon’ny Cnaps. Araka ny fanazavana, ireo zoky olona izay mandray fisotroan-dronono latsaky ny efatra hetsy Ariary ka hatramin’ny enina hetsy Ariary no hisitraka izany fanampiana hoentin’ny Minisitera izany.


