Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
FITANTANANA NY BAOLINA KITRA: Manome fito andro ny federasiona hiantsoana fivoriambe ireo filohana ligy
Mihazakazaka ny toe-draharaha eo amin’ny fitantanana ny tontolon’ny Baolina kitra eto amintsika. Taorian’ny sakantsakana samihafa niseho tamin’ny lalaon’ny Barea farany teo mantsy, dia nisedra olana noho ny fitavozavozan’ny teo anivon’ny federasiona ihany koa ny fahafahan’ny mpijery nanatrika ny lalaon’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Kabwe WFC Zambia, omaly, araka ny fanazavana voaray.
Raha toa ka efa nandeha ny fampahafantarana sy ny fiantsoana mpijery tamin’ny lalao nifanandrinan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Kabwe WFC Zambia omaly, dia nilatsaka indray ny fanapahan-kevitry ny avy any amin’ny Caf fa tsy azon’ny mpijery atrehina ity lalao ity. Lalao izay tafiditra ao anatin’ny lalao mandroso savaranonando amin’ny fiadiana ny ny Amboaran’ny Kaonfederasiôna CAF. Nisaraka ady sahala aotra no ho aotra ny lalao. Raha ny angom-baovao voaray dia efa tany amin’ny fiandohan’ny Septambra no tokony nandefa taratasy fampahafantarana ity lalao ity tany amin’ny Caf ny teo anivon’ny Federasiona, saingy taraiky ny nandefasan’izy ireo izany, ka nahatonga izao lalao tsy azon’ny mpijery natrehina izao. Tsy vao sambany, noho izany, izao olana ara-pitantanana misy eo amin’ny tontolon’ny Baolina kitra eto amintsika izao no nisy fa efa nanomboka hatramin’ny tsy nahateto an-tanindrazana ny Filohan’ny Federasiona.
Noho izany indrindra dia nivory ireo Filohana Ligy miisa 15, ny harivan’ny Sabotsy teo. Izy ireo izay nangataka ny hanaovan’ny eo anivon’ny federasiona fivoriambe. “Efa nangataka fivoriambe izahay nanomboka tamin’ny 2019. Hatramin’izao anefa tsy mbola nisy fivoriambe na assemblée générale teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Baolina Kitra. Ny volana marsa farany teo dia mbola nisy io fangatahana io, izay mbola nohamafisina ny volana Jona teo. Tsy nisy valinteny nahafapo azonay Filohana Ligy mihitsy anefa hatreto”, hoy ny fanazavana.
Sata mifehy ny federasiona
Marihina fa ao amin’ny andininy faha-31, andalana voalohany, ao amin’ny sata mifehy ny Federasiona dia misy filazana fa raha ny iray ampahatelon’ny mpikambana, izany hoe ireo Filohana Ligy, no mangataka fivoriambe dia azon’ny komity mpanatanteraka atao ny mampiantso fivoriambe. Noho izay andininy izay dia manome fito andro ny Komity mpanatanteraka ireo Filohana Ligy nivondrona ireo, mba hampiantso fivoriambe, sy hanome ny daty faran’izay aingana. « Raha ohatra ka tsy manome daty ireo, dia hanoratra any amin’ny Fifa izahay, hangataka ny hanesorana ny Filohan’ny Federasiona sy ny mpikambana ao aminy », hoy ny fanambarana. Raha tontosa kosa ny fivoriambe dia ny resaka fitantanana no ho atao lahadinika. Tsara ho fantatra fa niisa 15 ireo Filohana ligy nanao Sonia ity fanambarana ity, fa mbola misy ligy miisa telo ihany koa hameno azy ireo. Izany hoe, ligy 18 no fitambarany.
Ny Fanoratana.




