PolitikaSongadim-baovao
FITANTANANA NY BAOLINA: Potehin-dRabekoto Raoul ny kitra malagasy
Tsy hita mazava izay vokatra sy asa mivaingana nentin’ingahy Arizaka Rabekoto Raoul hatramin’ny nahatongavany teo amin’ny toeran’ny Filohan’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra (FMF). Ny mifanohitra amin’izany aza no tsapan’ny rehetra satria ezahany sy ireo ekipa miaraka aminy potehina ny kitra malagasy, amin’ny alalan’ireo sakantsakana sy fingampingana rehetra atao amin’izay mikasa hitondra tohana sy fanatsarana ny ekipam-pirenena.
Raha toa ka ho ainga vao amin’ny tontolon’ny baolina kitra no niheveran’ny rehetra ny fifidianana Filohan’ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra ny taona 2019, ny nifanohitra amin’izay no nitranga ary vao mainka àry lasa nikoroso fahana tanteraka, raha ny lafiny fitantanana no jerena. Ingahy Arizaka Rabekoto Raoul izay tsy vitan’ny manao sesitany ny tenany noho ny raharaham-pitsarana miandry azy eto an-toerana, fa mbola manao ny fomba rehetra tsy hampandeha ny kitra malagasy ihany koa. Anisan’ny raharaha farany nitana ny sain’ny maro tato anatin’ny andro vitsivitsy izay ny fiantsoan’i Mpanazatra Nicolas Dupuis an’i Lova Ramisamanana izay mpitarika ny Alefa Barea sady Filohan’ny Klioba Jet Kintana hanampy ny Staff Barea. Tsy niandry ela anefa fa fotoana fohy taorian’izay dia namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Federasiôna Malagasy ny Baolina kitra (FMF) fa mandà io fiantsoana azy io ary nilaza fa ny Filohan’ny Federasiôna Arizaka Raoul sy ny mpitantana ny federasiôna ihany no afaka manapakevitra farany momba ny ekipam-pirenena Barea.
I Lova Ramisamanana izay anisan’ireo nanampy be dia be ny Barea nahazoan’ny Barea fahombiazana tamin’ny nahatafakarana CAN 2019 natao tany Ejipta. Ankehitriny dia nailiky ny Filohan’ny FMF sy ny Federasiôna indray izy rehefa nantsoin’ny mpanazatra. Tsara ho fantatra fa anisan’ny tanjona napetrak’i Lova Ramisamanana ny hahatafakarana amin’ny Coupe du Monde 2022 sy CAN 2023. Omaly ihany dia nanambara ny i Lova Ramisamanana fa “Tsy ny fitiavan-tenan’ny olona vitsivitsy no hanakana ahy tsy hanampy ny baolina kitra malagasy mba hiverina ho reharehan’ny Tanindrazako”.
Mitaky ny hanesorana an’i Raoul
Tsara ho fantatra fa i Lova Ramisamanana, amin’ny maha Filohana klioba azy, dia afaka mijery klioba betsaka hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny barea. Ireny lalao ara-pirahalahiana ireny izay fomba sy stratejia mahomby amin’ny fampiakarana ny fahaiza-manaon’ny mpilalao, indrindra eo amin’ny fahaiza-miaraka, izay lesoka tamin’ny lalao vitsivitsy farany nataon’ny Barea. Mazava ho azy, saika mitaky ny handravana ny federasiona sy ny hanesorana an’I Raoul daholo ny mpankafy kitra malagasy rehetra, noho ny fitsipahany an’ity teknisianin’ny Baolina kitra ity. Vantany vao nivoaka ny fanambaran’ny federasiona izay mitsipaka ny fampidirana an’i Lova Ramisamanana ao amin’ny Staff Barea, anarivony ireo naneho hatezerana amin’ny federasiona ireo mpampiasa tambajotra sosialy Facebook. Ireo teknisianin’ny baolina kitra isan-tsokajiny ihany koa dia tsy nankasitraka ity fihetsiky ny federasiona ity. Ny rehetra izay samy miray feo amin’ny tokony hialan-dRabekoto Raoul sy ny ekipany amin’ny toerany.
Ny Fanoratana.


