Songadim-baovaoSosialy
FITANTANANA NY COVID-19 SY FIATREHANA NY KERE Nanankinana andraikitra goavana ny BNGRC tamin’ny taona 2021
Anisany asa goavana nanamarika ny taona 2021 natrehan’ny teo anivon’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindony (BNGRC) ny fandrindrana ny fitantanana ny valanaretina covid-19 sy ny fiatrehana ny fanampiana ireo mponina any Atsimon’ny Nosy, izay tratry ny tsy fanjarian-tsakafo vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro. Fantatra fa tsy mbola resy hatramin’izao ny valanaretina covid-19 na dia maro aza ireo ezaka efa natao toy ny paikady samihafa noraisina, entina handresena ity valanaretina mbola mihanaka hatramin’izao ity. Na izany aza, nambaran’ny Tale jeneralin’ny BNGRC, Jeneraly Elack Olivier Andriakaja, fa afaka mirehareha hatrany isika noho ireo vokatra azo tsapain-tanana nisy teo aloha, vokatry ny fiaraha-mientan’ny rehetra tsy an-kanavaka. Ankehitriny anefa, azo lazaina fa mbola misy fiantraikany ara-ekonomika eto amintsika ny akon’ny firongatry ny valanaretina io, toy ny fihidian’ireo sisin-tanin’ireo firenen-dehibe mifanerasera sy miara-miasa amintsika. Nanoa hatrany ny baiko sy ny toromarika avy amin’ny Fitondram-panjakana foibe ny BNGRC, izay niandraikitra ny fandrindrana sy ny fitantanana ny fiatrehana covid-19 tamin’ny taona 2020 nampirongatra be azy io.
Nanana paikady manokana ny BNGRC niatrehany ny kere tany Atsimo…

Eo amin’ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro ka miteraka tsy fanjarian-tsakafo any Atsimon’ny Nosy indray, dia fantatra fa nisy ny famoizan’aina, ny fifindra-monina, ary ny niharan’ny hanoanana sy tsy fanjarian-tsakafo mihoa-pampana. Nanana andraikitra goavana tamin’izany ny teo anivon’ny BNGRC, izay tarihan’ny Tale jeneraliny, manoloana ireo toromarika nomen’ny Fitondram-panjakana ny amin’ny famporisihana ireo tompon’andraikitra rehetra voakasika handray izay adidy manandrify azy avy. Amin’izao fotoana, fantatra fa mitohy amin’ny fizarana sakafo ho an’ireo mponina any an-toerana ny ekipan’ny BNGRC. Anisany paikady nananan’ity rantsa-mangaikan’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana misahana ny loza sy ny tandindony ity, ny fananana ny fiandraiketana maha olona, izay manana traikefa manokana amin’ny famantarana ny zavatra mety hitranga raha miseho ny hanoanana. Misy ny fitsiriana maro natao tamin’io tranga mihatra amin’ny any Atsimon’ny Nosy io, nijerena ireo pitsopitsony rehetra hamantarana ireo ambana mety hiseho, niarahany tamin’ireo mpira-miombon’antoka aminy. Rehefa vita izany dia natao tatitra teo anivon’ny departemanta minisiterialy tsirairay voakasika. Nisy koa ny fizaran-tsakafo notanterahiny niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka.




