Songadim-baovaoToekarena

FITANTANANA NY FARI-DRANOMASINA: Mamolavola politika iombonana ireo mpisehatra voakasika

Manodidina ny 1 140 000km² ny refin’ny fari-dranomasin’I Madagasikara. Faritra izay ahitana harena an-dranomasina tsy tambo isaina sy singa maro azo trandrahana tsara. Tsy mirindra anefa ny fomba nampiasana ny ranomasina teto amintsika hatramin’izay. Ary samy tsy manana fomba fijery iombonana ireo mampiasa izany ka misy fiantraikany ratsy amin’ny tokony ho fampandrosoana ny firenena. Izany indrindra no nikarakarana ny fikaonandoha nahafahana nanomana ny « Planification Spatiale Maritime”, izay entina hitantanana ny ranomasina eto amintsika. Hetsika izay vatsian’ny USAID vola.

Nosy voahodidina ranomasina amin’ny velarena lehibe tokoa i Madagasikara. “Hatreto, mbola tsy nanana politika mazava isika amin’ny fomba hitantanana ny ranomasina. Izany indrindra no niezahan’ny minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Toeram-ponenana, hanomana ireo drafi-panajariana ny ranomasina”, hoy ny Minisitra Andrianainarivelo Hajo. Ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono kosa no niara-niasa amin’izao tetikasa izao maha mpitrandraka ny harena an-dranomasina azy ireo. Na izany aza, misy koa minisitera hafa mampiasa ny ranomasina amin’ny lafiny fizahantany, na amin’ny lafiny tontolo iainana, izay voakasiky ny hetsika. Araka izany, “mila manana politika manokana isika hahafahan’ireo mpisehatra rehetra ireo manana fomba fijery hiombonana amin’ny hitantanana ny ranomasina eto amintsika”, hoy hatrany ny fanazavany.

Tohanan’ny Usaid Hay Tao

Noho izany, ny fikaonandoha omaly dia nahafahana namondrona ireo hevitra rehetra, sy fepetra tokony ho raisina, na araka ny lalàna, na ara-pomba fiasa, mba hahatongavana amin’ny politika iombonana sy ny fomba fijery itovizana. “Zava-dehibe izany satria raha samy manao ny ataony amin’ny ranomasina ny minisitera tsirairay avy kanefa tsy misy firindrany dia mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny soa iombonana izany”, hoy hatrany fanazavana. Tetsy ankilany, ny USAID amin’ny alalan’ny tetikasa Hay Tao, dia manohana ireo minisitera voakasika amin’ity tetikasa ity.  Tanjona, hoy ny Talen’ny  tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy eo anivon’ny USAID Madagascar ny hisian’ny fitantanana mahomby sy mangaraharaha ny ranomasina. Nanazava ity tomponandraikitra ity fa tsy ho fiarovana ny tontolo iainana ihany fa ho an’ny fampandrosoana maharitra mihitsy no maha zava-dehibe ny fametrahana ny politika iombonana.

Fermer