PolitikaSongadim-baovao
FITANTANANA NY JIRAMA: Tsy omena ny tsy miankina, tsy misintaka ny Fanjakana
“ Tsy misy mihitsy manana eritreritra hampisintaka an’ny Jirama, ho an’ny tsy miankina. Ny hamafisiko aza dia ny mihoatra lavitra noho izany. Samy manana ny laharam-pahamehany. Fa ny tenany kosa, dia nisafidy andro betsaka indrindra, amin’ny fitondrana ny Firenena, dia ny hamaha ny olan’ny Jirama”. Ampahany amin’ny lahatenin’ny Filoha Andry Rajoelina io, nandritra ny fihaonana nataony tamin’ireo solontenan’ny mpiasan’ny Jirama, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly tolakandro. Araka ny efa nambaran’ny Filoha tany Sainte-Marie, ny zoma lasa teo, dia nandray ireo solontenan’ny mpiasan’ny Jirama izy. “Nampiantso ity fivoriana ity aho, satria nisy taminareo no naneho fanahiana. Noho izany, tsara ny miresaka, satria rehefa misy zavatra henonareo sy fantatrareo fa tsara ho fantatra. Inona ny hevitry ny Fanjakana amin’ny fomba fanarenana ny Jirama, amin’ny fomba hitantanana ny Jirama sy ny sehatrasa maro, izay entina hanarenana ny orinasa Jirama”, hoy ny Filoha teny am-piandohana. Manoloana ireo ahiahin’ny mpiasa ao amin’ny Jirama, dia fotoana nanomezan’ny Filoha sy ireo minisitra tomponandraikitra fanazavana azy ireo ity fihaonana ity. Teboka tena itoeran’ny fanahian’ireo mpiasa ary nahatonga ny fitokonan’izy ireo, ny herinandro lasa teo, dia ny hoe mety hisian’ny fisintahana amin’ny orinasa Jirama. Koa dia nazava ny nambaran’ny Filoham-pirenena mahakasika izany.
Tsy hampiditra tompom-petrabola vaovao
Nanitrikitrika ny Filoha Andry Rajoelina fa tsy misy mihitsy ny fanovana sata. Tsy tokony manaiky hoe zavatra tsy eritreretina, nefa lazaina ny hoe “privatisation”. “Ny ao anatin’ny tompom-petra-bola ao amin’ny Jirama dia 100% ny Fanjakana. Ary ny fanovana sata izao, dia 100% ny Fanjakana foana. Tsy nisy mihitsy eritreritra hoe hampiditra tompom-petrabola vaovao ao anatin’ny Jirama. Izay no tiako lazaina, satria izay mantsy ilay hoe ahiahinareo”, hoy hatrany ny Filoha. “Ao anatin’io sata io, raha misy ahiahinareo, raha misy tena tianareo arovana, ary zonareo izany, dia vonona izahay hihaino. Hoe ity ny rijanteny na andininy tiana hovaina. Fa izaho eto dia miteny anareo ampahibemaso fa tsy misy, raha mbola izaho no mitantana ny Firenena ao anatin’ny fitantanako, ny hampisintaka ny orinasa Jirama, na asiantsika ao anatin’ny andininy koa mahakasika izany”, hoy izy nanamafy. Nanatrika izany fihaonana izany koa, ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny minisitry ny Angovo sy Akoran’afo, ny sekretera jeneraly, ny sekretera jeneraly lefitra, sy ny talen’ny kabinetra eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika.
Pierre M.




