PolitikaSongadim-baovao

FITANTANANA NY KAOMININA: Nankatoavin’ny Loholona ny hanovana ho dimy taona ny fepotoam-piasan’ny Ben’ny Tanàna

Nolanian’ireo Loholona maro an’isa teo anivon’ny Antenimierandoholona omaly ny hanampiana heritaona ny fepotoam-piasan’ny Ben’ny Tanàna, araka ny voarakitra ao amin’ny Tolo-dalàna laharana faha 02/2023/PPL/Sénat mikasika ny Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana. Anisan’ny anton’ny fanovana ny mba hahafahan’ireo Ben’ny Tanàna manatanteraka antsakany sy andavany ireo fandaharanasam-pampandrosoana eny anivon’ny kaominina, araka ny fanazavana.

Nolanian’ireo Loholon’i Madagasikara tsy nasiam-panovana nandritra ny fivoriana azon’ny  besinimaro natrehana omaly alarobia 13 desambra 2023 ny Tolo-dalàna laharana faha 02/2023/PPL/Sénat natolotr’ireo Loholon’i Madagasikara isany Tsiebo Mahaleo Richard Victor sy Andrianandrasana Hajaniaina Tahina, izay manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao amin’ny Lalàna laharana faha 2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014, Lalàna izay novaina sy nofenoin’ny Lalàna laharana faha 2018-011 tamin’ny 11 jolay 2018 sy ny Lalàna laharana faha 2021-010 tamin’ny 5 aogositra 2021 mahakasika ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.  Izao Tolo-dalàna izao no natao dia noho ny fangatahan’ireo olom-boafidy eny anivon’ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny amin’ny hanovàna ho dimy taona ny faharetan’ny fotoam-piasan’izy ireo raha toa ka efa-taona izany amin’izao fotoana izao. Anisan’ny anton’ny fanovana ihany koa ny mba hahafahan’ireo Ben’ny Tanàna manatanteraka antsakany sy andavany ireo fandaharan’asam-pampandrosoana eny anivon’ny kaominina, ary koa mba ahafahana manatanteraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy, araka ny fanampim-panazavana. Notsindrian’ny Loholona Tahina Andrianandrasana fa ny fepotoana dimy taona dia mifanindran-dalana tsara amin’ny politikam-pampandrosoana amin’ny ankapobeny. “Raha manao programam-pampandrosoana iray ianao dia matetika dimy taona hatrany no fepotoana omen’ny mpamatsy vola, na sehatra miara-miasa amin’ny Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ireny”, hoy ny fanazavany. Ny lalàn’ny fampiasam-bola eto Madagasikara ihany koa, etsy ankilany, dia mametraka ny fandaharanasa ao anatin’ny 5 taona. Izany hoe, mba hampifanindran-dalana tsara ny Politika ankapobeny eto amin’ny firenena, sy ny politikam-pampandrosoana ifotony any amin’ireo Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, dia rariny sy hitsiny raha ovaina dimy taona koa ny fepotoana iasan’izy ireo, ary isan’izany ireo Ben’ny tanàna.

Nitondran’ireo olona fanitsiana ihany koa ny fomba fifidianana eny anivon’ny Kaominina, ka ireo mpiray lisitra no lasa mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny Kaominina.

Tsiahivina fa araka ny andininy faha-81 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia ny Antenimierandoholona no misolo tena ireo Vondrom-bahoaka Itsinjarampahefana sy ireo vondron-draharaha ara-toekarena ary ara-tsosialy. Ary eo amin’ny andininy 83 dia milaza fa maka ny hevitry ny Antenimierandoholona ny Governemanta momba ny
raharaha ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ny fandaminana ny Vondrom-bahoaka Itsinjarampahefana. Midika ireo andininy ireo fa raha misy andrimpanjakana dia mahalala indrindra ny momba ireo Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana dia ny Loholon’i Madagasikara. Izany indrindra no maha zava-dehibe ny fahalaniana tolo-dalàna toy izao any amin’ny Antenimierandoholona. Andrasana, araka izany, ny fandalovan’ity tolo-dalàna ity eny anivon’ny Antenimieram-pirenena.

Ny Fanoratana.   

Fermer