KolontsainaSongadim-baovao

FITANTANANA NY ZON’NY MPAMORONA : Afaka miditra amin’ilay rindram-baiko vaovao ireo mpanakanto manomboka ny 01 Jolay

Hampanarahana ny lafiny nomerika ny fomba fanisana ny fandehanan’ny hiran’ny mpanakanto sy ny mpamorona eny anivon’ny haino aman-jery rehetra manomboka ny 01 Jolay ho avy izao. Ho raiketina ao amin’ilay rindram- baiko « Manoova » ny anarany sy ny hirany hahafahany manara-maso mivantana sy ny mikajy ny vola tokony hiditra amin’izy ireo isam-bolana. Manomboka amin’io daty io ihany koa ny fahafahan’ny mpanakanto misoratra anarana ao anatin’izany rindram-baiko izany.

Izay mpanakanto na mpamorona misoratra anarana ao amin’ilay rindram-baiko (logiciel)   « Manoova »  ihany no afaka misitraka ny vola omen’ ny Office Malagasy du Droit d’Auteur (OMDA) isam-bolana, miankina amin’ny fiverimberenan’ny hirany  mandeha amin’ny fahitalavitra na onjam-peo rehetra, raha ny fanazavana.  Tombony ho azy ireo ny fanatanterahana izany hahafahany  manara-maso  ny fizotry ny sanganasa sy  mijery ny habetsaky ny haino aman-jery  sy ny  trano fisotroana (bar) ary ny    trano fihirana (karaoke) mandefa ny hirany. Hampanarahana ity tetikasa vaovao ity ihany koa ny fandraiketana an-tsoratra ireo karazana fampisehoana rehetra. Azon’ireo mpanakanto  atao ny manatona mivantana, misoratra anarana, manomboka ny  Zoma 01 Jolay ho avy izao etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ao amin’ny efitrano Gisèle  Rabesahala. Azo atao koa ny miditra mivantana sy misoratra anarana ary mametraka ny hira ao amin’ilay rindram-baiko anabaka (en ligne).

Hira eny amin’ny tambajotran-tserasera

Manoloana ny fandehanan’ny hira eny amin’ireny tambajotran-tserasera ireny izay tsy andraisan’ny mpanakanto vola hatramin’izay, toy ny « youtube », dia nilaza ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, omaly, fa hisitraka mivantana ny zo tokony hisitrahany izy ireo, raha toa ka nisoratra anarana ao amin’ilay rindram-baiko.  Ny  fiarahamiasan’ ny Minisitera sy ny label international Universal Music sy Virgin Music, orinasa lehibe eo amin’ny sehatry mozika no nahatontosana izany.

Lamina apetraka hialana amin’ny hosoka

Amin’ny fotoana hahatongavan’ny mpamorona na mpanakanto eny anivon’ny OMDA, apetraka  ny antontan-taratasy mahakasika ny tiany  hahatongavana amin’ny sanganasany. Izany hoe, raha tarika no misy ilay mpamorona, azony atao ny milaza amin’ny fanomezana ny zony any amin’ilay namorona ny hira. Raha toa  izy ka mpandika ny hira nahazo  alalana, dia miverina any aminy ny vola.  Hisy ihany anefa  ny fanarahana maso  hialana amin’ny fisandohana, raha ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Orinasa « Manoova » Rajaonarivelo Rajosoa Andriantseheno.

Fampiroboroboana ny tontolon’ny kanto

Azon’ny mpanakanto atao ny mametraka ny sanganasa anabaka (en ligne), raha toa ka efa niova ho nomerika ny hira.  Azon’ny mpamorona na ny artista atao koa ny  mitondra  ny sanganasany izay voaraikitra any anaty kapila mangirana, USB, sy ireo  karazana fitaovana maro hafa ary havadika  ho nomerika. Tsara ho fantatra fa tsy hampiova ny kalitaon’ny hira ny fanovana ho nomerika.

« Fanovana eo amin’ny zon’ny mpamoroana, fampiroboroboana ny tontolon’ny kanto, drafi-panaovana ny zon’ny mpamorona ny fidirana amin’ity tontolon’ny nomerika ity », araka ny nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo.

Natao omaly  Talata 21 Jona ny fifanaovan-tsonia   eo amin’ny Minisitera sy ny Tale Jeneralin’ny Orinasa « Manoova » ho mariky ny fiarahamiasa.

 

Ranto Mamitiana (Mpianatra asa).

Fermer