Songadim-baovaoSosialy
FITATERAM-BAHOAKA ETO AN-DRENIVOHITRA: Miakatra ho 600Ar ny saran-dalana manomboka anio
Tsy azo ihodivirana ny fiakaran’ny saran-dalana taorian’ny fampiakarana ny vidin-tsolika izay nihatra teto amintsika, nanomboka omaly. Araka ny tapaka nandritra ny fihaonana teo amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fitaterana eto Antananarivo sy ny manodidina, dia fantatra fa 600ar ny saran-dalana amin’ny fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra manomboka anio. Fanapahan-kevitra izay nijerena manokana ny tsy hahafaty antoka ireo mpitatitra, kanefa mitsinjo ny vahoaka ihany koa.
Nihatra teto Madagasikara nanomboka omaly ny vidin-tsolika vaovao, noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika maneran-tany. Raha toa ka maherin’ny 6 000ar ny litatra amin’ny tokony ho vidin’ny solika tena izy, dia napetraka ho 4.900 Ariary ny litatry ny Gasoil, 5.900 Ariary ny litatry ny lasantsy, ary noferana ho 2.430 Ariary raha toa ka tokony hihoatra ny 4.100 ny litatry ny solika fandrehitra. Tsy niandry ela fa omaly ihany dia nisy ny dinika naharitra niarahan’ny Filoham-pirenena tamin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fitateram-bahoaka, eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. “Ezaka goavana no nataon’ny Fanjakana amin’ny famerana ny fiakaran’ny vidin-tsolika mihatra eto amintsika, mba tsy hisy fiantraikany be loatra amin’ny saram-pitaterana ihany koa”, hoy ny Filoha, raha nanazava. Nisy ny sarany izay napetraky ny mpitatitra, saingy hita fa mbola navesatra tamin’ny fahefa-mividin’ny vahoaka. Nisy, noho izany, ny sarany nifanarahana, izay mifanentana ihany koa amin’ny fiakaran’ny vidin’ny solika. Teo anatrehan’izany, tapaka fa hisondrotra 100 ariary ny saram-pitaterana eto an-drenivohitra, izany hoe, raha 500ar izany teo aloha, dia lasa 600ar manomboka anio.
Fanatsarana ny kalitao
Etsy ankilany kosa, nanolotra ny fahavononan’izy ireo hanatsara ny tolotra fitaterana ireo mpitatitra. Mila manasoa vahoaka ny fitateram-bahoaka, hoy ny Filoha. “Raha misy manana finiavana ny mpitatitra hanavao ny fitaovana eo am-pelatanana, dia tsy vitan’irery izany raha tsy misy ny tohana avy amin’ny Fanjakana”, hoy ny fanazavan’ny Filoha. Hanampy ireo mpitatitra vonona hanavao ny fitaovam-pitaterana, araka izany ny Fitondram-panjakana. Hisy ny famatsiam-bola manokana hanavaozana ny fitaovana. Rehefa tsara ny fitaovana dia azo iadian-kevitra indray ny fampiakarana ny saran-dalana.
Nilaza ny Filoha Andry Rajoelina omaly fa hanao ezaka manokana ny Fitondram-panjakana hijery mpamatsy solika amin’ny vidiny mirary kokoa, mba tsy hisy intsony ny fiakaram-bidin-tsolika hatramin’ny faran’ny taona izao.




