Songadim-baovaoToekarena
FITATERANA AN-TARIBY: Hisokatra ho an’ny daholobe manomboka ny 16 Aogositra izao
Manamafy ny SENVH Sekreteram-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana fa hisokatra ho an’ny daholobe manomboka amin’ny fandraisana ny fivoriam-ben’ny SADC ny fitaterana an-tariby, araka ny tapaka tao amin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny alarobia 06 Aogositra 2025 teo. Tanterahina anaty fiaraha-miasa amin’ny orinasa POMA izany.
Araka ny fandaharam-potoana dia ny 15 Aogositra 2025 izao no fanokafana ofisialy sy fandaminana manokana ho an’izay nahazo fanasana ihany. Ny 16 Aogositra 2025 kosa no fanombohan’ny fisokafana ho an’ny daholobe.
Ho fanazaràna ny mponina amin’ny fampiasana ny TPC ity dingana voalohany ity ka anaty ora voafetra aloha no hiasan’ny fitaterana an-tariby, dia amin’ny 07ora hatramin’ny 09ora maraina, ary amin’ny 04ora hatramin’ny 06ora hariva. « Groupe électrogène” no ampiasaina hanodinana ny TPC anatin’izay fe potoana izay.
Ao anatin’izao fepotoana fisokafana amin’ny ampahany izao dia miroso ny famitana ny asa fampifandraisana amin’ny tambazotran’ny herinaratra izay iarahana miasa amin’ny Jirama. Hapetraka koa ny orinasa natokana hitantana sy hikarakara izany. Ary hisitraka fiofanana manokana ny mpiasa rehetra hoentina manome tolotra mifanaraka amin’ny fenitra, araka ny fanazavana.
Marihina fa tsy hisy fikatonana intsony fa hisokatra manontolo isan’andro ny fitaterana an-tariby aorian’izay. Manome toky ny SENVH fa hampitaina tsy an-kiato sy mazava ny fandaminana rehetra mifandraika amin’izao fanokafana miandalana ny fitaterana an-tariby amin’ny daholobe izao izay efa maro tokoa no sasa-miandry.
Nangonin’i LR.




