
Songadim-baovaoToekarena
FITATERANA AN-TARIBY – SOARANO/IVANDRY: Hosantarina mandritra ny fihaonamben’ny SADC ny fitondrana olona
Ho vita amin’ny faran’ity volana jolay ity ireo andrana teknika isankarazany ho an’ny fitaterana an-tariby mampitohy an’i Soarano sy Ivandry La City. Vina, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana (SENVH) ny hanaovana andrana fampidiran’olona hitaingina mandritra ny fihaonamben’ny SADC atao eto Antananarivo.
Nanamafy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH) fa ho tapitra amin’ny faran’ny volana jolay izao ireo andrana teknika isan-karazany ho an’ny appareil n°2 novitaina farany, izay mampitohy an’i Soarano sy Ivandry eny ampin’ny La city. Hatao ny fankatoavana ara-teknika io ampahany farany io iarahana amin’ny Cabinet VERITAS. Marihina fa tsy mbola nahazoana alalana ny hampidirana olona ireo “appareils 2” farany ireo.
Vina apetraky ny SENVH ny hanaovana ny andrana fampidiran’olona hitaingina toy ny natao tamin’ny ampahany 1 mampitohy an’Anosy sy Soarano mandritra ny fihaonamben’ny SADC eto Antananarivo hanehoana izany fomba fitaterana maoderina sy azo antoka mifandraika amin’ny tanàn-dehibe izany, amin’ny mponin’Antananarivo sy ireo firenena mitsidika an’i Madagasikara.
Nanamafy ireo tomponandraikitra fa tsy nampiasaina herinaratra avy amin’ny Jirama ny andrana rehetra natao fa tamin’ny alalan’ireo Vondrona mpihary herinaratra mandeha amin’ny solika efa napetraka isaky ny “Station” na gara. Andalam-pametrahana moa ny toby famokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro eny Tsarasaotra sy ny zotra herinaratra manokana izay entina mamatsy ny TPC, araka ny fanamby napetraky ny Filoham-pirenena, mba tsy hisy fiantraikany amin’ny filàna herinaratra eto Antananarivo. Nilaza moa ireo tomponandraikitra fa mbola hisy lamina manokana entina mampihodina ny TPC zotra orange mandrapahavitan’izay.
Ny Fanoratana.



