PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FITATERANA AN-TARIBY (TPC): Hitondra fanazavana amin’ireo handalovan’ny tetikasa ireo tomponandraikitra

Nahoraka tamin’ny faraparan’ny herinandro lasa teo iny ny fisiana sekoly tsy miankina iray eny Analamahitsy izay nanao fihetsiketsehana nanohitra ny fampandalovana ny fitaterana an-tariby eo amin’ny faritry ny sekoly. Voalaza tao anatin’ny fanambarana fa mahatonga fanelingelenana, tsy fifantohana, ary loza mitatao ho an’ny mpianatra ny fandalovan’ity fitaovam-pitaterana ity ao amin’ny faritry ny sekoly. Ny sabotsy teo, nitondra fanampim-panazavana misimisy kokoa mahakasika ny tetikasa teleferika ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Gérard Andriamanohisoa, izay namaly an’ireo fitakiana ireo. Nambarany fa natao ho an’ny tanàn-dehibe be olona mihitsy ny TPC, toerana izay ahitana sekoly, hopitaly, tsena, toeram-ponenana sy ny sisa. Toy ny any amin’ireo firenena maro efa misy ny TPC dia tsy maintsy apetraka ny fiarovana azo antoka indrindra amin’ny lafiny fotodrafitrasa, izay nampanarahana ny fenitra. Mahakasika ny hoe fanelingelenana kosa indray dia nambaran’ny SENVH fa tsy misy feo mitabataba ahina anelingelina ny mpianatra ity fitaovam-pitaterana ity. Ekena koa, hoy izy, fa mety hahasarika maso izany any am-piandohana fa kosa tsy tokony haharitra ela. Izany hoe, amin’ny ankapobeny dia tsy misy mihitsy tokony hampanahy ireo mpianatra sy mpanabe ary Ray aman-dRenin’ny mpianatra ny fandalovan’ny fitaovam-pitaterana eo amin’ny faritry ny sekoly.

Araka ny fanazavan’ny SENVH hatrany, dia hiroso amin’ny fidinana ifotony eny amin’ireo toerana voakasika na handalovan’ny tetikasa izy ireo manomboka amin’ity anio ity. Voalohany amin’izany ireo sekoly sy lisea izay haharenesana fitarainana matetika. Ary hitohy amin’ireo toerana hafa izay mety manana ahiahy na fanontaniana tian-kapetraka momba ny tetikasa. Nilaza anefa ny Minisitra tomponandraikitra fa efa nahazoana fankatoavana io lalana hizoran’ny tetikasa ankehitriny io. Dikany, tsy azo everina intsony ny mety hanovana ny lalana andehan’ny tetikasa. Fitondrana fanazavana marolafy momba ny tetikasa kosa no ho atao, analana ireo ahiahin’ny mponina.

Fermer