Songadim-baovaoToekarena
FITATERANA AN-TARIBY (TPC): Miroso ny andrana teknika ho an’ny mampitohy an’Ivandry sy Ambatobe
90%-n’ny asa fametrahana ny fitaterana an-tariby zotra orange mampitohy an’ Analamahitsy – Ivandry – Ankorondrano – Antanimena – Soarano ary Anosy hatreto no vita. Araka ny fanadihadiana dia ny fametrahana ny tariby amin’ny ampahany mampitohy an’i Soarano sy Ankorondrano no mbola misy fahatarana. Rehefa vita kosa io ampahany io dia vita tanteraka ny asa goavana rehetra fa misy miroso amin’ireo andrana teknika isan-karazany sisa. Ho an’ny omaly dia nisy ny fitsidihana ny ampahany telo mampitohy an’Analamahitsy sy Ambatobe izay efa ao anatin’ny fanaovana andrana teknika ankehitriny. Raha ny fanazavan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny troeram-ponenana omaly dia cabine 89 no mihodina amin’ity ampahany ity, izay naraha-maso sy nojerena akaiky teo amin’ny pitsopitsony ara-teknika. Natao izany mialohan’ny tena handehanan’ny zotra, araka ny tatitra.
Mbola nohamafisin’ny SENVH omaly hatrany fa tombontsoa maro ho an’ny mponin’Antananarivo ny fahatanterahan’ny tetikasa goavana sy vaovao toy izao. Ho afaka olana ireo mpianatra sy mpiasa ary ny manana anton-dia maika rehefa mandeha ny fitaterana an-tariby. Na dia eo aza ireo nandrabiraby sy nitsikera ny tetikasa dia manaporofo izao andrana ara-teknika izao fa vita ny teleferika izay tetikasan’ny Filoham-pirenena , Rajoelina Andry, hoy hatrany ny eo anivon’ny SENVH.
Tsara ho fantatra fa mbola tsy maintsy hisy ny Didim-panjakana horaisin’ny Fanjakana mahakasika ny fampiasana ny teleferika, toy ny fepetra amin’ny fananganana trano manakaiky ny zotran’ny teleferika, sy ny sisa.




