PolitikaSongadim-baovao
FITATERANA AN-TARIBY (TPC): Vonona ary afaka hihodina ny zotra Anosy – Soarano
Omaly no nanatanterahana ny andrana ara-teknika voalohany misy olona amin’ny fitaterana an-tariby na ny “téléphérique”. Ny zotra mampitohy an’Anosy sy Soarano no nanaovana izany andrana izany. Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, notrononina mpikambana ao @ governementa notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian, manam-pahefana isan-tsokajiny, mpanao gazety, sy olon-tsotra am-polony no nisantatra izany andrana izany.
Noporofoin’ny Filoha nandritra ny fisantarana ny fitaterana olona tamin’ny “télépherique” fa milamina sy azo antoka ity fitaovam-pitaterana vaovao ity. Ary tsy tahaka ny tian’ireo mpanaratsy sy mpanaraby voizina. Fitantanana maoderina ihany ko izy io, tsy miozona fa tony tsara, mangina, tsy arenesam-peo ny filantony, ary haingana ihany koa. Tao anatin’ny 3 mn 30 no nanaovana ny zotra miala eo Anosy hatreo Soarano, araka ny niainana omaly.
Tsiahivina fa ny ampahany voalohany amin’ny zotra Volomboasary dia miainga eo Anosy, mandalo eo Soarano, eo Antanimena, Ankorondrano, Ivandry, hatrany Ambatobe. Misy toeram-piantsoanana 7, pylônes 51, ary cabines 198 ity zotra izay mirefy 8,6 km ity. Maharitra 30 minitra ny anaovana an’Anosy hatrany Ambatobe raha ny tombana. Ho an’ny zotra mihainga eo Anosy hatreo Soarano izay nanaovana ny andrana omaly kosa dia miisa 27 ireo cabines
Olona hatramin’ny 75 000 isan’andro
Notsindrian’ny Filoha omaly fa tanjona amin’ny fanamboarana ny téléphérique moa ny itondrana vahaolana moderina sy mahomby amin’ny olan’ny fitateram-bahoaka sy ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Ny fitohanan’ny fiara moa dia mitarika fahavoazana ara-toekarena mihoa-pampana isan’andro. Eo ihany koa ny voka-dratsiny amin’ny tontolo iainana. Ary noho fahalotoan’ny rivotra aterak’izany dia misy fiantraikany eo @ fahasalamam-bahoaka ihany koa, indrindra ho an’ny zaza. Araka izany misy ihany koa ny lafin’ny fitsinjovana ny maha olana izay mifandraika amin’ny Andry voalohan’ny vinam-pampandrosoan’ny Filoha Andry Rajoelina. Ohatra noraisiny ihany koa ny olana sedrain’ireo vehivavy, ny vehivavy bevohoka, ny zokiolona, ny zaza izay sahirana manenjika sy misisika taxibe.
Mifameno ny tetikasa Téléphérique sy ny tetikasa Train urbain. Ho an’ny téléphérique dia novinaniana ho 40.000 isan’andro azo taterina. Araka ny fanazavan’i Andriamanohisoa Gérard, sekretera-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana dia rehefa natao ny kajy taorian’ny andrana rehetra natao dia azo ata tsara ny mitatitra olona hatramin’ny 75.000 isan’andro. Isaky ny 20 segondra dia misy cabine miditra sy mihainga ao amin’ny toeram-piantsonana iray. Tsy mijanona miodina mihintsy izany ny téléphérique mandritra ireo lera fisokafany.
Vonona
Notsindrian’ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana fa taorian’ity andrana natao omaly ity dia azo lazaina fa vita ny “test” ara-teknika rehetra, ary efa azo atao tsara ny mitatitra mpandeha. Ho an’ireo manahy amin’ny isiana olana ara-teknika dia misy “moteur” iray lehibe mampiodina azy, ary misy koa ny “moteur de secours”. Mbola ihany ny fanamafisana ny “système de sécurité” araka ny takian’ny fenitra iraisam-pirenena.
“Vonona ary afaka mandeha ny zotra Anosy – Soarano” hoy i Andriamanohisoa Gérard. Mialohan’ny ahafahana manomboka ny fitaterana mpandeha nefa dia tsy maintsy mbola mifantina ny orinasa hitantanana an’ity “téléphérique” ity ny Fitondram-panjakana. Mitohy ihany koa ny asa amitana manontolo ny zotra Volomboasary, izay iray amin’ireo zotrana téléphérique roa apetraka eto Antananarivo.
Vinavina ho eo amin’ny 3.000 ariary hatramin’ny 5.000ar ny sandan’ny ticket iray amin’ny “téléphérique”. Na izany aza dia kasaina ihany ny ametrahana tolotra ahafahan’ireo mpanjifa manao “abonnement” isam-bolana. Izany dia mbola ampihena kokoa ny saran’ny ticket. Ary heverina ihany ny ametraka tolotra sosialy ho an’ny mpianatra sy ireo zokiolona ohatra.
Ny Fanoratana.




