Songadim-baovaoToekarena
FITATERANA ANABAKABAKA: Nahazo fiaramanidina ATR iray fanampiny ny Madagascar Airlines
Niampy iray ny fiaramanidina ho ampiasain’ny Madagascar Airlines amin’ny fampandehanana ireo sidina anatiny. Omaly tokoa mantsy no nigadona tetsy amin’ny seranam-piaramanidina FMMI Ivato Antanananarivo tamin’ny 9ora sy 49 minitra ny ATR 72/600, hanampy ny ATR 72/500 izay efa tonga ny 21 desambra lasa teo ary misalotra ny sainam-pirenena Malagasy sy hanatevina ny isan’ny fiaramanidin’i Madagascar Airlines.
Noho ny fahatokisana sy ny fanohanana avy amin’ny Andriamatoa Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary ny Praiminisitra Ntsay Christian dia miisa 05 izao ny fiaramanidin’ny kaompaniam-pirenena Madagascar Airlines. Tsy tanteraka izany raha tsy nisy ny “garantie souveraine” izay nataon’ny Fitondram-panjakana. Teo ihany ko ny fanohanana mitentina 25 000 000 dollars avy amin’ny Banque mondiale, araka ny fanazavana.
Izy ity koa dia nanamarika ny dingana lehibe amin’ny drafitry ny Phoenix 2030, izay fandaharan’asa fanarenana mikendry ny fanavaozana ny fiaramanidina sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa atolotra.
Tonga nanome voninahitra ny fahatongavan’izany fiaramanidina izany ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’Andro, Andriamatoa Valéry Ramonjavelo, natrehin’ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana, Ramatoa Dewa Viviane, teo ihany koa ny solontena avy ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Ramatoa Vololomboahangy Tsiriniaina Narindra, Kestora fahatelo, sy ny mpiara-miasa rehetra ao amin’ny Madagascar Airlines ary ny mpisehatra rehetra amin’ny Fitaterana an’habakabaka sy ny Fizahantany.




