Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FITIAVANA LOKA TAFAHOATRA : Tovolahy 23 taona nangalatra 93 Tapitrisa Ariary an’ny Mpampiasa azy
Tranga iray tsy dia faheno sy fahita firy no niseho teny Ivato, izay nahasamborana tovolahy iray 23 taona, omaly 03 Jona. Ity farany, izay fantatra, fa nisontona tsikelikely ny volan’ny mpampiasa azy, efa tafanika hatramin’ny 93 tapitrisa Ariary. Vola tao anaty finday io lasan’ny tovolahy mpanampy iray niasa teny Ivato io, izay fantatra, fa nolaniany tamin’ny loka avokoa, raha ny tatitra voaray tamin’ny Polisim-pirenena. Noho ny fifampitokisana efa nipetraka hatramin’izay teo amin’ny roa tonta, dia nirahin’ny mpampiasa azy maka vola amin’ny alalan’ny finday ny anao lahy, ary izay no nanararaotany namindrana ny vola nankao amin’ny findainy. Efa tany amin’ny volana janoary 2025 tany no nanoavany izany, saingy tsikaritry ny mpampiasa azy ihany, taty aoriana, ny fahabangana tao amin’ny kaontiny. Taorian’ny nisamborana azy omaly io, dia natao avy hatrany ny fanadihadiana. Hita avy tamin’izany avokoa ny porofo rehetra fa laniny tamin’ny loka avokoa ireo vola ireo, ary niaiky izany ny tenany. “Carte Sim” telo samihafa moa, no fantatra fa nampiasain’ity tovolahy ity nanaovany izany. Notanana atao andrimaso sy anaovana fanadihadiana eo anivon’ny biraon’ny Polisy io lehilahy io, mialohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny Fampanoavana.
Stan R.




