Non classé

FITOHANANA LAVARENY: Miteraka fatiantoka betsaka amina sehatra maro lafy

Mampiteny ny moana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra, amin’izao fotoana. Miteraka fatiantoka be amin’ny lafim-pihariana maro izany, izay miteraka fahavoazana ara-ekonomika, ara-tsosialy, hatramin’ny ara-pahasalamana, aza. Miezaka hatrany kosa ny tompon’andraikitra mamaha ny olana. Maro koa no resy lahatra amin’ny tokony hisian’ny vahaolana maharitra…

Fotoana lany, fahavoazana ara-bola sy ara-toekarena, fikorontanam-piainana andavanandro, ary tsy fahasalamana sy ny sisa maro, no indray ateraky ny fitohanan’ny fifamoivoizana io, araka ny fanadihadiana natao. Maro no resy lahatra fa tandra vadin-koditra amina tanàn-dehibe toy ny eto Antananarivo Renivohitra, ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Fahavoazana maro lafy, anefa, no aterak’izany, izay miantraika amin’ny fiainam-pirenena mihitsy. Anisany ny ara-toekarena, izay ahitana fiantraikany be eo amin’ny harinkarena faobe (PIB) eto an-dRenivohitra. Mihena, araka izany, ny fotoana hamokarana amina sehatra samy hafa, noho ny fotoan’ny rehetra very anaty fitohanana, izay voafaritra ho ora roa na telo eo ho eo, araka ny fandinihan’ny manam-pahaizana. Ho an’ny mpahay lalàna iray, Ramarokoto Mamololona, dia miteraka fatiantoka ho an’ny firenena iray mihitsy ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Nambarany aza, fa « raha ny vinavina hitan’ny mpahay toe-karena dia eo amin’ny 13 miliara Ariary isan’andro eo no fatiantoka aterak’izany, ho an’Antananarivo fotsiny ». Mitambatra amina seha-pihariana maro io fatiantoka voalaza io. Tao anatin’ny 10 taona izao, fantatra fa tsy nahitana fiakarany firy ny harinkarena faobe (PIB) eto Antananarivo, raha miala amin’ny eto Madagasikara. Ny eto Antananarivo, anefa, no mameno ny 42%-n’ny harena rehetra eto Madagasikara. Nambaran’ity mpahay toe-karena, fa anisany anton’io tsy fihetsehan’ny harinkarena io ny fivangongoan’ny mponina eto an-dRenivohitra. Lasa tsy mamokatra firy intsony ny tanàna noho ny hafenoan’ny mponina ao aminy, satria tsy misy intsony ny fivelarana. Sehatra maro no voa noho ny voka-dratsy ateraky ny fotoana very any anaty fitohanana io, ka isan’izany ny seha-panjakana rehetra, izay mamoaka asa ho an’ny vahoaka. Eo koa ny sehatry ny fitaterana, ohatra, izay tena ianjadian’ny fatiantoka. Tsy lazaina intsony koa ny fahavoazana amin’ireo sehatra tsy miankina, izay mameno ny ampahany betsaka amin’ny kitapom-bolam-panjakana…

Nitondra fanazavana i Ramarokoto Mamololona, Mpahay toe-karena

 

Fatiantoka ho an’ireo mpitatitra

Anisany mahita voka-dratsy akaiky eo anatrehan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana ny mpamily. Eo amin’ireo mpanao fitaterana, fantatra fa fatiantoka no azon’izy ireo, manoloana izany satria tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. Ny fijanonan’ny fiara anaty fitohanana no tena mandany solika be indrindra, raha ny fantatra. Ho an’ireo mpamily fiarakaretsaka, ohatra, raha 120 000 Ariary ny vola tratrarina anatin’ny herinandro, tsy misy afa-tsy 100 000 Ariary na latsak’izany no azon’izy ireo. Tsy misy afa-tsy fandehanana iray na roa no vitan’izy ireo anaty tapakandro, noho ny fotoana lany anaty fitohanana…

Mikorontana ny fiainan’ny mponina…

Ankoatra izany dia fantatra fa miteraka fikorontanana eo amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro, ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Ohatra amin’izany eo amin’ny fiaingana hamita  ny asa aman-draharahan’ny daholobe. Manoloana ny fitohanana izay efa misy manomboka maraina, dia fantatra fa tsy maintsy miainga ora telo na roa any an-tokantranony avy ny mpianatra sy mpiasa monina manodidina an’Antananarivo, vao afaka tonga ara-potoana amin’izay alehany. Efa miteraka fikorontanana eo amin’ny lamina isan-tokantrano izany. Miteraka fahasorenana koa ny fahatarana, ary tonga ho azy ny rarin-tsaina, izay tsy mahavanona ny fandaharam-potoana tontolo andro, raha ny nambaran’ny mpitsabo iray. Ilaina, araka izany, ny fahatongavana mialohan’ny fotoana vonjena.

Mikaroka paikady hisorohana fitohanana…

Faritra maro eto an-dRenivohitra dia saika ahitana fitohanan’ny fifamoivoizana avokoa, fa indrindra amin’izao fotoana hidirana tsikelikely amin’ny fety izao. Toerana vitsivitsy anisany tena mampikolay ny mpandeha amin’izany, ohatra ny eny Ankadimbahoaka, Analamahitsy sy Ambohitrarahaba, Sabotsy Namehana, Andravoahangy, … Ho an’ny Polisim-pirenena izay misahana ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra, dia fantatra fa manana ary mbola mikaroka paikady hatrany, hanenana na hanafoanana mihitsy io fitohanana lavareny io. Tsy ny andavanandron’ny mponina ihany no hasiam-panafany amin’io tandra vadin-koditry ny tanan-dehibe eo amin’ny sehatry ny fifamoivoizana io, fa amin’izao hidirana amin’ny fety izao ihany koa. Anisany paikadin’ny Polisim-pirenena, ohatra, ny fampandehanan-droa ny fiara amin’ireo vava lalana efatra miditra ny Renivohitra, indrindra amin’ny maraina hamonjen’ny maro lahasa, sy amin’ny ora fodiana ny hariva. Hialana amin’ny fitohanana maharitra fotoana maro no anton’izany, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra, na dia eo aza ny tsy maintsy hiaretan’ny tompon-dalana. Amin’izao fotoana, nambara hatrany fa anisany mahatonga fitohanana maro eto ny fidiran’ireo mpiantsena mialohan’ny fety avy any amin’ny faritra. Fantatra manaraka izany, fa hitombo io fitohanan’ny fiara io rehefa migadona ny volana desambra. Hita ho mamaha io olana io tsikelikely, anefa, ny mpitandro filaminana miandraikitra fifamoivoizana, ho fanampiana ny mponina, na dia heverina aza, fa tsy mahafaka fitohanana an-tanan-dehibe, raha ny zava-misy. Fehiny, ilaina ny fanarahana ny toromariky ny mpandrindra fifamoivoizana, antoka lehibe tsy hanenana izany koa ny fifanajana amin’ny samy mpamily, ary ny fanajana an-tsakany sy an-davany ny lalàn’ny fifamoivoizana.

Anisany mampihisatra ny fizotran’ny asam-panjakana amin’ny ankapobeny, ny vokatry ny fitohanana

Azo sorohana ny fitangoronana an-dRenivohitra…

Milaza miara-mahita fa efa tery dia tery ny eto an-dRenivohitra. Ny mponina mitombo, tsy latsa-danjan’izany ny isan’ny fiara. Ny birao mpitantan-draharaha maro lafy, mivangongo eto avokoa. Miha betsaka, noho izany, ny fivezivezena izay mahatonga fitohanana. Raha i Ramarokoto Marololona, ohatra, anisany soso-kevitra nentiny hanenana ny fivangongoan’ny mponina eto, na dia hihenan’ny fitohanana fotsiny aza, ny fananganana tanàna vaovao ivelan’Antananarivo, hiparitahan’ny mponina. Fa eo koa ny lafiny hetra, izay azon’ny eo anivon’ny fitantanana ny Kaominina asiana paikady politika, hivelaran’ny mponina ihany koa. « Amin’ireo toerana ahitana mponina betsaka eto Antananarivo, ohatra, dia hakarina ny hetra ao aminy. Raha misy manofa trano maro ao, dia misy ny fandoavan-ketra amin’izany, hahafahan’ny olona mitady any an-kafa. Azo ampiharina, araka izany, ny hetra aloa amina hofan-trano, izay tokony hakarina, raha mihoatra amin’ireo toerana tsy dia be mponina », raha ny fanampim-panazavany. Fehiny, samy resy lahatra amin’ny hisian’ny fandaminana sy fanavaozana maharitra hisorohana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto io, ny sokajin’olona mpampiasa lalana rehetra.

Fermer